- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversHeroine : Iray alina ariary ny indray mitsindrona etsy 67ha

Heroine : Iray alina ariary ny indray mitsindrona etsy 67ha

Ireo fonosana rongony mahery vaika tratra tany amin’ireo mpidoroka.

Teo am-pitsindromana « heroine » mihitsy no tra-tehaka ireto olona ireto, teny amin’iny faritra 67ha Avaratra Atsinanana iny ny alatsinainy teo. Voalaza fa amidin’izy ireo iray alina ariary ny fonosana, indray mitsindrona amin’izany rongony mahery vaika izany. Ny voalohan’ny herinandro teo dia nisy ny vaovao azon’ny teo anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina mahasika ny fisian’ny olona mivarotra sy manindrona héroine teny amin’iny faritra 67ha iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ireto ka tra-tehaka ambodiomby mihitsy ny lehilahy iray sy vehivavy iray teo am-pivarotana sy nifampitsindrona izany rongony mahery vaika izany. Efa mpamerin-keloka amin’ity resaka fivarotana sy fibizinana rongony mahery vaika ity izy roa ireto ary efa voaheloka higadra mihitsy. Vao ny taona 2017 teo izy ireo nivoaka ny fonja. Raha ny voalaza hatrany dia olona mandalo eny an-toerana, izay heverina fa mety ho efa mpamatsy azy ireo teo aloha no angalàny ireto rongony ireto. Manodidina ny 60000 ariary eo ho eo no hividianan’izy ireo ny iray grama amin’izany heroine izany. Zarain’izy ireo sy tsinjarainy amin’ny fonosana kely miisa valo izany avy eo ary averina amidy iray alina ariary indray amin’ireo mpitsindrona efa mpanjifan’izy ireo eny an-toerana. Efa mandeha moa ny famotorana sy ny fanadihadiana hikarohana ireto olona hafa, mpiray tendro amin’izy ireo amin’izao fanaparitahana rongony mahery izao. Marihana fa tratra teny amin’izy ireo ny héroine milanja 1,50 grama, « resine cannabis» manodidina 10 grama ary briquet sy fitaovana isan-karazany fitsindromana sy fampiasan’ireo mpidoroka. Omaly moa ireto olona ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici