- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversHéroïne : Miparitaka eny ambany tanàna

Héroïne : Miparitaka eny ambany tanàna

Sady mpivarotra no mpidoroka ireto. (sary Polisy)

Nidoboka am-ponja noho ny fifavoratana zava-mahadomelina mahery vaika ary koa fidorohana izany. Mbola tanora avokoa ireo olona telo izay voasambotra nandritry ny fidinana an-tsehatra tampoka nataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Ireny héroïne ireny no kirakirain’ireo tanora. Nahazo alàlana hisava trano ny mpanao fanadihadiana ary nandritry ny fanatontosàna ny asan’izy ireo no nahitàna ireo potin-javatra samihafa. Ny fonon’ny héroïne, ny tsindrona isan-karazany izay fampiasa ary koa ny sotro izay fanaroana ireo zava-mahadomelina no hita tao. Nosamborina avy hatrany ary nanokafana fanadihadiana. Nomarihan’ny polisy fa niaiky ny heloka vitany ireo voakasika. Mampanahy ny fiparitahan’ny héroïne eny ambany tanàna ankehitriny. Raha ny angom-baovao azo dia efa mitsindona na midoroka izany hatramin’ny mpibata entana ankehitriny, izany dia ankoatra ireo tanora tia andrakandrana. Betsaka amin’izy ireo no miha-mahia satria tsy maharaka ny enti-manana kanefa efa miankin-doha tanteraka amin’ireo zava-mahadomelina, indrindra koa mahery vaika. Ahoana ny fomba nahatafidiran’izany eto amintsika, iaraha-mahalala anefafa nosy i Madagasikara ? Mila mandinika izany kokoa ny mpanao fanadihadiana mba hiadiavana amin’ny fiparitahany. Tsy mbola misy héroïne amboarina izany eto ary tsy maintsy avy amin’ny fanafarana avy any ivelany no hahatongavan’ny entana. Mila fanaraha-maso arak’izany ny sisin-tany sy izay mety hidiran’ny entana eto amintsika. Torak’izany koa ny fijerena akaiky ny tambajotra izay miasa ao ambadik’ity fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika ity. Matoa miparitaka izany dia misy ny mpambogady, ny mpivarotra madinidinika ary koa ny mpamatsy. Mila fiheverena maika…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici