- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversHery vonjy taitran’ny polisim-pirenena : Jeneraly Eric Michel indray no tale mpitantana...

Hery vonjy taitran’ny polisim-pirenena : Jeneraly Eric Michel indray no tale mpitantana vaovao

Ny Tale vaovaon’ny FIP, Jeneraly Eric Michel, (ankavanana amin’ny sary), vonona handray ny andraikitra vaovao nomena azy.
Ny Tale vaovaon’ny FIP, Jeneraly Eric Michel, (ankavanana amin’ny sary), vonona handray ny andraikitra vaovao nomena azy.

Ny talata maraina lasa teo no notanterahina teny amin’ny Toby Jeneraly Razafindrazaka Berthin Antanimora ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale mpitantana teo aloha ny Hery vonjy taitra ao amin’ny pôlisy na ny FIP, ny Jeneraly Rajaonarizaka Gérard sy ny tale vaovao voatendry eo amin’ny toeran’ny mpitantana, ny Jeneraly Eric Michel. Lanonana, natao tamim-piralahiana tanteraka, teo ambany fanatrehan’ny Tale jeneralin’ny pôlisim-pirenena izay vao avy nandray ny toerany ihany koa. Tao anatin’ny kabary nifandimbiasana no nilazana fa mafy ny asa miandry, indrindra fa ao amin’ity vondrona ity. Kanefa na izany aza, dia nanome toky ny Tale vaovao fa vonona tanteraka ny amin’izany izy ary hanohy sy hanatsara ny fomba fiasa, ahazoana vokatra tsaratsara kokoa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser