Natao tao amin’ny kaominina Ambodilazana fokontany Ambodimanga tao amin’ny CEG misy an’ity fokontany ity, ny lanonana fanolorana mari-pakansitrahana maro samy hafa ho an’ireo «… mendrika salama » nokarakarain’ny fandaharan’asa « ACCESS ». Isany notolorana izany ireo tanora miisa 100 teo amin’ny « tanora mendrika salama » ; ka isan’ny masin-tsivana tamin’ireo ireto fepetra efatra ireto, dia ny fanabeazana ireo tanora tsy hiroso amin’ny fanambadiana aloha loatra, fisorohana ny vohoka tsy irina sy ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo, tsy fisotroana toaka sy ny fifohana zava- mahadomelina, ary tanora manentana ireo namany mitovy aminy. Nahafahana nifantina ireo « tanora mendrika salama » ireo, dia ny ezaka tamin’ny fitsidihana azy ireo teny an-tokantranony, sy ireo mpanentana ara-pahasalamana teny anivon’ny sekoly, ary teny anivon’ny fiaraha-monina misy azy ireo. Teo koa ny fanentanana ireo ray aman-dreniny tsy hanery ireo ankizy latsaky ny 18 taona amin’ny fanambadiana aloha loatra. Araka ny fanadidiana mantsy dia miteraka herisetra ny fampanambadiana aloha loatra ny tanora lahy na vavy, eo koa ny fatapahan’ny fianarany, ary ny fanilihan’ny fiaraha-monina azy ireny. Ankoatra izany dia teo koa ny fanolorana mari-pankasitrana natao tamin’ireo “mpifankatia mendrika salama” (MMS) izay niisa 25, sy ny “mpanentana ara-pahasalamana” (AC) niisa 10. Nisy 135 ireo “mendrika salama” notolorana mari-pankasitrahana ireo tao Ambodilazana fokontany Ambodimanga.
Malala Didier