Nanomboka tetsy Ampandrana, nandalo an’i Besarety, Andravoahangy ambany, Ambodivona ary nivoaka tetsy Ankorondrano, tazana ho samy nanidy maika dia maika ireo varavamby sy karakaram-by tsirairay avokoa ireo magazay lehibe tamin’ireo toerana nandalovan’ity hetsika nataon’ireo kandida 11 fantatra amin’ny hoe « hetsika chou-fleur » ity. Raha ny tetsy Ambodivona manokana, tampoka loatra tamin’ireo mpampiasa lalana mizotra hihazo an’i Waterfront iny ny fanakatonana haingana dia haingana ny vavahady vy lehibe anankiroa mankao an-toerana izay somary nampikorontana tanteraka ny fifamoivoizana, izay, efa etsy andaniny, voatohatohan’ny tanjozotran’olona marobe. Tsy vitsy ihany koa ireo olona nifanena tamin’ireto mpanao hetsika no nisoamaritaka sy nikoropaka niafina samy namonjy ny fodiany. Angamba tahotra ny mety hisian’ny sakoroka tampoka ! Raha ny omaly dia azo lazaina fa nilamina tanteraka ny hetsika nataon’ireto kandida 11 ireto, niaraka tamin’ireo mpanaraka azy, toy ny tamin’ny afak’omaly ihany. Tazana nanemitra ity hetsika ity sy nitilitily teny ihany ireo mpitandro filaminana. Tao ireo niezaka nandamina ny fifamoivoizana, tao ireo miezaka misoroka izay mety ho fanakorontana misy : ireo nanao fanamiana, nandeha tongotra, nandeha fiara niaraka tamin’ny sarotava sy ny fahana baomba mandatsa-dranomaso ary ny nandeha kodiaran-droa. Tsikaritra ihany koa ireo mpitandro filaminana tsy manao fanamiana, mifangaro amin’ireo mpanao hetsika. Marihana fa nanomboka tamin’ny iraika ambin’ny folo ora sy sasany tany ho any no tonga teny an-toerana ireo kandida ho filoham-pirenena, nitarika ity hetsika ity. Efa niandry azy ireo teny an-toerana ireo olona marobe nanaraka ireto farany, izay samy nilanja an’ilay legioma nalaza tampoka tato anatin’ny telo andro. Nifarana am-pilaminana tetsy « rond point » Ankorondrano izany hetsika izany, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro latsaka tany ho any. Miandry ny anio indray …
m.L