- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversHetsika « Coup d’arrêt » : Niampy indray ireo manampahefana voasambotra

Hetsika « Coup d’arrêt » : Niampy indray ireo manampahefana voasambotra

Raha tokony ho tapitra androany ny hetsika « coup d’arrêt » izay natao tany Atsimo dia fantatra izao, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa nangataka ny fitohizan’izany iray volana indray ry zareo. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ihany koa etsy andaniny dia nanamafy fa tsy tapitra izany ny « coup d’arrêt ». Izany moa dia noho ny fisian’ireo faritra anjakan’ny asan-dahalo vaovao toy ny ao, Mandoto, Bongolava, ary Morafeno. Nahomby aloha hatreto ny vokatra,satria dia efa omby 1038 no voaverina amin’ny tompony, raha 1651 no isan’ireo very. Mahatratra 69 kosa ny isan’ireo dahalo voasambotra ary 89 ny maty. Fantatra ihany koa hatreto fa nitombo isa ireo manampahefana, iray petsapetsa amin’ireo dahalo mpangalatr’omby voasambotra any an-toerana, Isan’izany ny fisiana delege iray sy ny sekreterany ao amin’ny distrikan’i Manja. Nalefa any am-ponja avy hatrany ity sekretarany ity raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay delege. Mbola nisy ihany koa ny fampidirana am-ponja ny ben’ny tananan’Ambalavato, amin’ity resaka famotsiana taratasin’omby halatra ity hatrany. Raha ny momba ireo delege hafa voasambotra, dia fantatra izao fa efa mandeha ny famotorana ary nalefa any Ihosy izy ireo.

Mike L.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser