- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHetsika « Dona » : Tsy hanavahana an’iza na iza ny fisavàna ireo kodiaran-droa

Hetsika « Dona » : Tsy hanavahana an’iza na iza ny fisavàna ireo kodiaran-droa

Nanomboka ny sabotsy lasa teo ity hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, izay natao hisavàna manokana ireo kodiaran-droa eto an-drenivohitra. Hetsika izay nahabe resaka tanteraka tao anaty tambajotra sosialy, indrindra fa ho an’ireo mpankafy môtô. Hentitra dia hentitra tokoa ireo mpitandro filaminana ary tsy misy indrafo sy alaharo alaharo fa rehefa tsy manara-dalàna dia hiharan’ny sazy avokoa : fampidirina am-balam-pamonjàna ireo môtô. Araka ny angom-baovao azo dia tsy nanavahana na iza na iza ity fisavàna manokana ireo kodiaran-droa teto an-drenivohitra ity. Eny fa na ireo mpitandro filaminana mitondra izany ka tsy manara-dalàna dia hiharan’ny sazy avy hatrany. Ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, izay tompon’izany hetsika izany moa dia nanamafy teo amin’ny takelaka ofisialin’ny tambajotra sosialin’izy ireo fa « tsy maintsy handraisana fepetra ireo pôlisy tsy manara-dalàna (…) Tsy ny olon-tsotra ihany no hiarahn’ny sazy fa na ireo mpitandro filaminana aza» Marihana fa haharitra dimy andro ity hetsika nampitondràna ny anarana hoe « Dona » ity, izay natao manokana entina hiadiana amin’ny lozam-pifamoivoizana sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo kodiaran-droa eto an-drenivohitra. Eo anatrehan’izany, ny pôlisim-pirenena dia « manentana ny rehetra mba hanaraka ny fandaminana sy hanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana. Mamporisika ny tsirairay ihany koa izy ireo etsy andanin’izay, amin’ny fitorohana sy fanomezam-baovao raha misy ny trangana tsy fanarahan-dalàna ataon’ny pôlisy »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici