Herinandro maromaro izay no nisian’ilay hetsika « Fahalemana » ho famongorana ny asan-dahalo ataon’ireo mpitandro filaminana. Hatreto anefa dia mbola tsy misy tatitra ofisialy mahakasika izany. Fa araka ny loharanom-baovao akaikin’ireo mpitandro filaminana, dia fantatra fa tafakatra 114 amin’izao fotoana izao ny isan’ireo dahalo matin’ireto farany. Na ny tany Atsimo izany, izay niisa teo amin’ny 72 na ny tany Avaratra; izay mitotaly eo amin’ny 42 eo. 13 kosa no fantatra fa naratra, raha malaso miisa eo amin’ny 54 no azo sambo-belona. Fitaovam-piadiana mahatratra eo amin’ny 112 kosa no azo teny am-pelantanan’ireto farany, basim-borona sy poleta 54 niaraka tamin’ny bala 58 . Araka ity antontanisa ity hatrany dia omby nahatratra tany amin’ny 4262 no lasan’ireo malaso, na tany Atsimo ihany koa io na tany amin’ny tapany Avaratry ny Nosy. 2017 amin’izany no tafaverina tamin’ny tompony. Hatreto kosa raha eo amin’ireo mpanaradia sy fokonolona, dia mbola tsy fantatra mazava izay isan’ny maty sy ny naratra. Ny azo antoka aloha dia am-polony maro ihany ireo. Etsy andanin’izay dia mbola ireo miaramila dimy sy zandary iray, maty nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo tao Ankazoabo sy Betroka ihany aloha no fantatra taty amin’ny ankilan’ireo mpanao ny hetsika. Niteraka resabe sy angamba isan’ny nalaza tokoa ity hetsika ho famongorana ny dahalo, ity nataon’ireo miaramila nampian’ireo zandary ity. Ambonin’ireo filazana isan-karazany, ny amin’ny toetran’ireo mpanao hetsika, ny vono moka sy ny herisetra mantsy dia voatonontona ihany koa tao anatin’ity hetsika ity ny anaran’ireo voalaza fa dahalo ambony latabatra. Ao anatin’izany ireo olom-boafidy isan-karazany sy tompon’andraikitra manana ny maha izy azy any amin’ireo toerana mafana ireo. Ny fanontanian’ny rehetra fotsiny dia hoe, hitohy ary ho tratra ve ny ezaka, sa dia ho very an-javony fotsiny toy ireo hetsika rehetra hatramin’izay ? Efa toa zary fahazaran-dratsy eto amintsika mantsy ny hoe, rehefa ny lehibe no voakitikitika dia mangina ho azy ny raharaha, raha tsy hiteny fotsiny afa tsy io resaka andramena io.
m.L



