
Roa volana sy tapany eo izay no nisian’ny hetsika Fahalemana, tany amin’iny tapany Avaratra sy Atsimon’ny Nosy iny, nataon’ireo miaramilan’ny Tafika Malagasy. Tao anatin’izay fotoana maromaro izay, araka ny fampitam-baovao azonay, dia nahatratra an-jatony maro ireo dahalo maty voatifitra, roapolo mahery any ho any kosa ny naratra ary tafakatra 60 mahery tany ho any ireo azo sambo-belona, ka natolotra ny mpanao famotorana. Taty amin’ireo miaramila mpampandry tany kosa, sivy ireo mpitandro filaminana lavo teny an-tanim-piadiana, ka anisan’izany ny manamboninahitra iray avy ao amin’ny zadnary. 18 kosa no isan’ireo naratra, niantefan’ny balan’ireo malaso. Tao anatin’izany rehetra izany, dia basim-borona aman-jatony lasatsaka no azo teny am-pelan-tanan’ireo malaso, niampy poleta iray sy bala maromaro, miaraka amin’ny ody gasy.
Hatreto tokoa dia azo lazaina fa nahaomby ity hetsika indray mitoraka natao hampandry fahalemana ny any amin’ireo toerana mafana amin’ny asan-dahalo ity, raha ny hita tany amin’ireo faritra sasantsany nalehanay. Efa manomboka miverina amin’ny fiainany andavanandro ireo mponina, raha tsy hilaza fotsiny, afa tsy ny amin’iny faritra Ankazoabo, Iakora sy tapany Atsimon’ny Nosy iny. « Saika isan’andro no nahenoana feom-basy sy fanafihana taty aminay. Ary raha ny anay manokana dia omby 30 no lasan’izy ireo. Zanako iray izay aza, naratra voan’ny balan’ireo malaso. Efa nitsoaka nandao ny tanana mihitsy aza. Fa amin’izao aloha dia izao hitanareo izao » hoy ny renim-pianakaviana iray tao Ankazoabo, somokotra nanivana vary kely, tsy ampy tapa-gony akory teo an-tokotaniny. Fa torak’izany ihany koa ny tapany Avaratra, aty amin’ny faritra Ankazobe sy Kiangara iny.
Ny tsy azo lavina anefa, mbola hita taratra eny amin’ny endrik’ireo mponina ny tahotra. Tahotry ny mety ho valifatin’ny dahalo aorian’ity hetsika ity. « Mety mipetrapetraka sy mandositra ireo dahalo amin’izao fisian’ny miaramila izao, fa tsy maintsy hiverina izy ireo, raha vao hitan’izy ireo fa lasa izy ireo » hoy ny raim-pianakaviana iray tao Kiangara. Amin’izay lafiny izay, ekena fa mety hetsika iray nahomby ity hetsika fahalemana ity, saingy amin’ireo mponina sy ny mpanara-baovao dia mbola tsy ampy izany, raha izay famerenanana ny fandriampahalemana izay no tena tanjona. Tokony hisy hetsika maharitra ataon’ny mpitandro filaminana, ampy hitokisan’ireo mponina ka ahafahany mamokatra ara-dalàna.
Na izany na tsy izany aloha, tsy tokony hijanona amin’ny fanenjehana ireo dahalo anaty akata izay ihany mantsy no tokony hatao. Fa eo ihany koa ny fanenjahana ireo lohadohan’ny mpisorona amin’ity resaka malaso ity, na ireo dahalo ambony latabatra, izay toa miafinafina ao ambadiky ny fahefana eo am-pelan-tanany, na olom-boafidy io na tompon’andraiki-panjakana.
m.L