- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversHetsika « Fahalemana » : Nampodiana ireo zandary an-jatony

Hetsika « Fahalemana » : Nampodiana ireo zandary an-jatony

Vita ny asan’ireo zandary nahazo iraka ny hampandry tany tany Befotaka. Ny faran’ny herinandro lasa teo izy ireo no nihazo an’andrenivohitra ary hiverina eo anivon’ny vondrona misy azy ireo, dia ny Fign sy Gsis. Raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny zandarimaria dia efa voasambotra ireo olona 11 voarohirohy ho nandroba ny tobim-paritra ao Befotaka tamin’ny tapaky ny oktobra lasa teo. Efa voaverina ireo fitaovam-piadiana very tamin’izany rehefa nisy ny fifampiraharaha tamin’ny manam-pahefana tao an-toerana sy ny zandary. Ho an’ny miaramila avy amin’ny tafika kosa dia mitohy ny asan’izy ireo any atsimo. Izy ireo rahateo no misahana mivantana ny hetsika fahalemana hatreto. Ho an’ny zandary, raha araka ny fanazavana hatrany, dia tsy mahakasika io hetsika io mihitsy ny fidinan’ireo olony an-jatony tany atsimo fa kosa noho ny fandraisana fepetra taorian’ny nandrobàna ny tobin’izy ireo. Rehefa vita ny fanadihadiana ka voasambotra ireo ahiahiana ho tompon’antoka tamin’izany dia naverina amin’izay ireo zandary marobe. Mahakasika ity raharaha any atsimo ity ihany dia fantatra fa nigadona omaly tao Ankazoabo-atsimo ny solontenan’ny tafika, ny zandary, ny pôlisy ary ny mpitsara. Izy ireo dia hanara-maso ny fanadihadiana parlemantera momba ny raharaha Mara Niarisy. Raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’ireo ministera efatra voakasika dia tsy misy mifampitsabaka akory ny fanadihadiana ataon’ireo vondrona samihafa. Torak’izany ihany koa, tsy hiditra amin’ny fanadihadian’ireo parlemantera izy ireo, fa mijery akaiky ny fivoaran’ny raharaha kosa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici