- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversHetsika « H.I.N.A » : Manentana amin’ny fampinonoan-dreny

Hetsika « H.I.N.A » : Manentana amin’ny fampinonoan-dreny

Nanao hetsika manokana tao Fanandrana Toamasina II ny hetsika “H.I.N.A” teto Toamasina, izay hivondronan’ireo fikambanana sy fiaraminim-pirenena miisa 17 anjara. Isan’ny hetsika nentina tamin’izany ny tsy fanjariana ara-tsakafo sy ny fampinonoan-dreny tsy maintsy atao anatin’ny 1.000 andro aorian’ny nahaterahan’ny zaza, ka ny enim-bolana voalohany tsy asiana fangaron-tsakafo hafa mihintsy. Nahasarika olona ny hetsika satria andro tsena izay mampiakatra ireo any ambanivohitra ny renivohitry ny kaominina ny andro ny alakamisy teo. Ho an’ny fikambanam-behivavy FAFED isan’ny mpikamban’ny HINA, dia tena ilaina ny famerenana ireo traikefa efa azon’ny vahoaka amin’ny tsy fanjariana ara-tsakafo sy ny filana ilay fampinonoan-dreny ny zanany, ka ilaina ny fanaitairana azy ireo mba tsy hanadino izany. Izay no nahatonga ireo mpanentana ara-pahasalamana sy renin-jaza nantsoina manokana hiara-misasalahy amin’ny hetsika HINA, ka nomena fanofanana amin’izany tetik’asa goavana izany izy ireo. Ho an’ny ONN na ny, ofisy nasionaly momba ny sakafo, kosa dia nanentana hatrany ireo vahoaka ny Fanandrana Toamasina II hanaraka izany sakafo ara-pahasalamana sy maro loko izany izay tena hananan’izy ireo maro tokoa, sady misoroka amin’ny valan’aretina Covid-19 hiadiantsika izany no manampy ny mponina amin’ny asa ataony andavanandro koa. Ankoatra izay dia manana filamatra manokana ny hetsika HINA dia ny “ho an’ny hoavy mamiratra ny zamadinika Malagasy amin’ny fanoagnana ara-tsakafo”.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici