Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja nanatanterahan’ny teo anivon’ny zandarimarim-pirenana ny hetsika manokana nampitondraina ny anarana hoe « Mandio », dia efa hita taratra sahady ny vokatra. Nahatratra 48 mantsy ireo olona voasambotra. Tafiditra ao anatin’ireo : ny dahalo, ny andian-jiolahy, ny mpamotsy taratasin’omby halatra, ny mpanao trafikana basy, ny mpanaparitaka vola sandoka ary ireo mpibizina rongony. Nisy efatra tamin’ireo olon-dratsy ihany kosa tetsy andanin’izay no maty voatifitra, nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny roa tonta.
Ankoatr’izay, dia basy 15 no azo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy : 12 basy lava, izay vita gasy ny iray, telo kosa no basy poleta ary ny iray ihany koa dia basy natao tànana. Tafakatra 128.210.000 ariary kosa ny vola sandoka tra-tehaka nandritra ity hetsika manokana ity, tany Mananjary sy tany Antsiranana. Teo amin’ny resaka zava-mahadomelina kosa dia fantatra, fa rongony milanja 325 kg no sarona. Tany Anaborano no tena nahatrarana be indrindra, izay milanja eo amin’ny 230 kg eo ho eo. Mbola ampahany tamin’ny vokatra azo maneran’ny Nosy ireo, raha ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny zandary hatrany. Mbola mitohy foana kosa hatreto ity hetsika manokana entina hampandriana fahalemana ataon’ireto mpitandro filaminana ireto.
m.L