- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-Divers« Hetsika Papango » : Mandray anjara mavitrika ny Tafika Malagasy

« Hetsika Papango » : Mandray anjara mavitrika ny Tafika Malagasy

Araka ny fampanantenana, fa atao faran’izay haingana ny hifehezana sy hamongorana ny tsy fandriampahalemana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra.dia herinandro vitsivitsy izay no nandray anjara tamin’ny hetsika « Papango » ny Tafika Malagasy mba hanampiana ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-Pirenena. Nahitam-bokany izany, satria nandritra ireo fisafoana natao manerana ny faritra mena sy malaza amin’ny asan-jiolahy dia maro ireo Jiolahy no efa voasambotry ny Tafika Malagasy raha tsy hilaza afa-tsy ny mpanendaka dimy lahy tratran’ny miaramilan’ny CAPSAT teny amin’ny faritr’i Tanjombato, ny mpamaky trano tratra teny Namontana, ny mpamono olona amin’ny « bois rond » teny Namontana, ny jiolahy tratra teny Anjanahary. Omaly hariva tokony ho tamin’ny fito ora dia mbola nahatratra mpanendaka teny amin’ny faritra Ambohimanarina ny miaramilan’ny Rezimantan’ny Andry sy Tohana nanao fisafoana tamin’iny faritra iny rehefa nahazo antso tamin’ny Fokonolona ka nanenjika avy hatrany ilay jiolahy efa rain-dahiny amin’ny halatra. Tratra io jiolahy io ary efa natolotra ny mpitandro ny filaminana toy ireo rehetra efa tratra. Ny zoma hariva teo ihany koa dia jiolahy iray saika hanendaka ramatoa nitondra fiara tao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana no tratran’ny miaramilan’ny RAS am-bodiomby teo am-pamohana an-keriny ny varavaran’ny fiara. Efa natolotra ny tobin’ny Zandary ao Betongolo moa io jiolay rain-dahiny io izay araka ny voalazan’ny Zandary mpanao fanadihadiana, dia vao tsy ela akory no voasambotra noho ny asan-jiolahy io mpanendaka io, nefa dia izao tratra izao sahady indray. .

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici