- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHetsika politika tetsy Ampitatafika : Nizotra am-pilaminana ny « diabe »

Hetsika politika tetsy Ampitatafika : Nizotra am-pilaminana ny « diabe »

Tetsy Anosizato Andrefana no nifampitaona indray ireo mpanaraka ny vondron’ny kandidà ao anatin’ny hetsika fotsy, omaly. Efa tazana maraina niatrana teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana amin’ny kamiao maromaro. Mbola mihatra hatrany mantsy ny didy navoakan’ny prefektioran’ny pôlisy, ny amin’ny tsy fahazoana mamory olona an-dalambe. Saingy na izany aza, tsy nanaparitaka ireto olona tonga marobe teny an-toerana ireo mpitandro filaminana fa niezaka nifehy azy ireo, handehan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny. Iny toerana iny rahateo efa iaraha-mahalala ny amin’ny fitohanana lavareny, saika isan’andro. Nitanjozotra nihazo an’Ampitatafika ireo vahoaka maro, nony avy eo, nihaona tamin’ireo mpitarika azy ireo. Nanaraka azy ireo tsy lavitra teny foana ireo fiarabe sy fiara tsy mataho-dalana maromaro feno mpitandro filaminana. Teo Antanimenabe no nifamory ireo mpitarika sy ny mpomba azy ireo, izay tsy naharitra ela fa noravain’ireo Emmo, eny, fa na dia somary vitsy aza ireto farany mitaha amin’iretsy olona marobe. Nisy fotoana aza tafiditra tao am-povoan’ireo olona marobe ireo mihitsy ny mpitandro filaminana ary efa voahodidina. Saingy nanaiky ny fandaminana hatrany ireo mpanao hetsika fotsy ary nifarana tao anaty filaminana izany famorian’olona izany.

Marihana fa nisy hetsika nataon’ireo mpomban’ny vondron’ny kandidà ihany koa tetsy Imerintsiatosika. Maro ireo olona tonga namaly ny antso. Tsy lavitra teny foana ihany koa ireo andiana pôlisy, zandary ary miaramila. Saingy tsy nanakana na nandrava izany hetsika izany fa nanao ny asany, nandamina ny fifamoivoizana ary nitandro ny … filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici