Ankoatry ny mpanao gazety, tsy nisy navelan’ireo mpitandro filaminana naka sary ny fidiran’izy ireo an-tsehatra ireo olon-tsotra sy ireo mpanao hetsika mpanaraka an’ireo vondron’ny kandidà 11, omaly, tetsy Manakambahiny. Nisy mihitsy ny fifanenjehana sy fisamborana ireo olona izay hitan’izy ireo mamoaka finday, ary tsy namelan’izy ireo tsy fafàna teo no ho eo ihany izay sary sy horonantsary nalain’ireo olona. Toy ny nahazo ny renim-pianakaviana iray, nitazana tsy lavitra teny. Somary namaly ireo mpitandro filaminana ity farany ary nikasa ny hitsoaka, kanjo mpitandro filaminana misaron-tava anankitelo no nanenjika ity farany nihazo iny elakelan-trano iny, teny an-toerana ary nibeda azy hatrany. Nanaiky tsy fidiny ity farany ary nambenana teo mihitsy, mandra-pahavita ny famafàna ireo horonantsary sy sary rehetra, nalainy, nirakitra ny zava-nisy teny an-toerana. Torak’izay ihany koa no nahazo ny tovolahy iray, hitan’izy ireo naka sary ny fidinan’ireo andiana mpitandro filaminana avy any Tsimbazaza avy any, handeha hanaparitaka ireo olona marobe tonga namaly ny antson’ireo vondron’ny kandidà.
Raha hiverenana kely ny zava-niseho omaly, dia tsy nisy aloha ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso tamin’ireto mpanao fitakiana ireto, toy ny niseho teny Itaosy afakomaly. Ireto farany, izay niala tetsy Bel’air, nitanjozotra niahazo an’Ambanidia, ary tonga tetsy Manakambahiny. Teo no voasakana sy noravain’ireo andiana mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Emmo, izay nahatratra an-jatony mahery tany ho any.
m.L





