Efa andro maromaro izay dia tsy mitsahatra mitsidika ireo fokontany amin’ny fametrahana ireo andrimasom-pokonolona ireo mpitandro ny filaminana iarahan’ny zandary sy ny polisy. Napetraka mantsy amin’izao ilay hetsika taganamaro ho an’ny fandriam-pahalemana, izay ifanomezan’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka tanana amin’ny fiambenana ny fokontany misy eto Toamasina. Roa herinandro teo izay no nananganana izany ho an’ireo fokontany sasany eto Toamasina, nefa maro ireo fokontany no mbola tsy manao izany. Nisy ny vokatra azon’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana mikasika ity tagnamaron’ny fandriam-pahalemana natao ity, tamin’ireo vaovao nomen’ny vahoaka eny amin’ny fokontany. Raha ny fanazavan’ny Kly Ranaivoarisoa Théodule, kaomandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana, dia nisy olona enina voalaza fa mpamaky trano tao Tanambao V, Ankirihiry, ary Tsarahonenana, izay vaovao avy amin’ireo andrimasim-pokonolona no nosamborin’ny zandary. Ankilan’izany dia nisy olona dimy koa voasambotry ny zandary izay voalaza fa mpamaky magazay fitehirizana entana, ka ny roa tamin’izy ireo dia mpiambina avy amin’ny orinasa tsy miankina mpanao fiambenana eto Toamasina, ary miara-miasa amin’ireo mpitondra Tuc-Tuc izy ireo amin’izany famakiana magazay ataony izany amin’ny fitateraka ireo entana avy nangalariny. Ankoatra izany dia miangavy ny fokonolona hatrany ny zandary amin’ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona indrindra ireo faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana, fa ilaina izy ireo ary vonona amin’ny fanomezana-tanana hatrany ny zandary amin’ny fifanampiana. Afaka miantso ny laharana 119 maimaim-poana ireo andrimasom-pokonolona ireo amin’ny tranga mampihaihay sy vaovao tiany hampiataina amin’ny zandarimariam-pirenena Toamasina.
Malala Didier