- Publicité -
vendredi, septembre 26, 2025
AccueilFaits-DiversHetsika teto an-drenivohitra : Nafana ny fifandonana

Hetsika teto an-drenivohitra : Nafana ny fifandonana

Tonga marobe nanao andiany avy amin’ny faritra maro ny mpanao fihetsiketsehana omaly. Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina teo no tonga tsikelikely ireo mpanao fihetsiketsehana izay nikasa ny ho eny Ambohijatovo, efa teny nifanomezana. Efa rakotra mpitandro filaminana teny an-toerana sy ny manodidina rehetra. Tsy nahasakana ireo mpanao fihetsiketsehana anefa izany fa niroso hatrany ireo olona marobe. Nipoaka voalohany teny Andohan’Analakely ny baomba mandatsa-dranomaso. Tsy naharesy tosika ny mpanao fihetsiketsehana izay. Nanohitra tanteraka ireo olona marobe izay nanao hetsika am-pilaminana niaraka tamin’ny sora-baventy maneho fa mila rano, leo delestazy. Raikitra nanomboka teo ny fihenjanan’nu roa tonta. Tsy nanaiky lembenana rahateo ireo tanora nanao ny hetsika. Mafy ny fiarovana ny fidiran’izy ireo teo Ambohijatovo sy Analakely, saingy tsy niala hatrany ireo tanora marobe. Nanenjika sy nanaparitaka ireo mpitandro filaminana, izay ny zandary no tena lohalaharana tamin’izany. Tsy nilefitra mihitsy ireo tanora mandrapaharivan’ny andro. Ambohijatovo, Analakely, Antaninarenina, Tsaralalana, vaky ihany ny hariva, nalalaka ny teo Analakely. Niala teny ny mpitandro filaminana, niparitaka isaky ny fokontany sy ny faritra rehetra teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny barazy. Nanomboka teo ny fisian’ny fandrabana ny hariva. Nisy ny andian’olona nanao izany tamin’ny faritra maro, ka lasibatra ny toeram-pivarotana lehibe, ny teleferika sns. Tsy afa-bela ny tranona mpanao politika. Niparitaka be io fandrobana sy fanimbana fananana io. Tsy fantatra mazava izay tena manao hetsika nanomboka teo. Sarotra tamin’ny mpitandro filaminana ny nifehy izany. Maro ny rava sy may. Hatramin’ny fiaran’ny mpitandro filaminana nodoran’ny olona teny Ambanidia, teny Ambohipo. Andaniny, tsy vitsy koa ny naratra ireo mpanao fihetsiketsehana, hatramin’ny mpitandro filaminana. Hita taratra fa tezitra ny olona Ary sahy nanohitra ireo mpitandro filaminana. Hatramin’ny ora nanoratanay, mbola nitohy ny barazy eraky ny faritra maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nitohy ny hetsika…

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici