- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversHetsika tetsy Analakely : Olona 23 saika hanararaotra handroba voasambotry ny pôlisy

Hetsika tetsy Analakely : Olona 23 saika hanararaotra handroba voasambotry ny pôlisy

Olona maromaro no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny hery vonjy taitran’ny kaomisaria, ny faran’ny herinandro teo fa indrindra nandritra ilay sakoroka tetsy Analakely. Araka ny fanazavana azo tamin’ireto mpisambotra, dia nikasa ny hanararaotra ilay hetsika ireto farany, handroba sy hanimba zavatra. Anisan’ny tetik’adin’izy ireo tamin’izany ny handroba ireo magazay lehibe teny amin’iny faritra Analakely, Behoririka ary Tsaralalàna. « Nisy tamin’izy ireto no nikasa handroba ny magazay “Tecno” teny Behoririka, ny sasany kosa dia saika handroba tao amin’ny Building Ramaroson, ny sasany indray saika handroba tao amin’ny “Conforama” sy “Naza”, nisy ihany koa ny teny amin’ny “Bao lai” ary teo ihany koa ireo nikasa handroba tao amin’ny “Canal Sat”, ary farany dia ireo nandoro ilay fiara 4×4 ary nanosika ny kodiarana nitsoaka nody » hoy ny tatitra avy tamin’ny pôlisim-pirenena. Marihana fa 23 no isan’ireto olona voasambotra ireto ka izany « Rasta » izany no lehiben’izy ireo. « Efa tetika nomanin’izy ireo mialoha ny hanararaotra mandritra ny savorovoro ; izay mety hitranga. Marihina fa  “Rasta” dia olona efa nisazy ary fantatra ihany koa, fa efa nandray anjara feno tamin’ny fandrobana nandritra ny savorovoro  efa nisy teo aloha » hoy hatrany ny pôlisy. Taorian’ny fandefasana ireto olona teo amin’ny Fampanoavana, ny alatsinainy lasa teo, dia fantatra fa ny 17 tamin’izy ireo no nadoboka am-ponja, fa ny enina ambiny kosa dia nomena fahafahana vonjimaika. Eo anatrehan’izay, dia nilaza mazava ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena fa « tsy handefitra velively manoloana ireo izay mihevitra ny hanararaotra sy handroba ny fananan’ny hafa mandritra ny toe-javatra toy ireny. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fisafoana izay ataon’ny UIR andro aman’alina ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici