
Niafara tamin’ny fisamborana ireo mpanolotsaina monisipaly roa eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra, Raharimalala Clémence sy Rakotoarisoa Alban na Babà, ny fanomanana ilay hetsika “Tsy manaiky lembenana”, kasaina hotaterahina eo Ambohijatovo ny 25 septambra 2025 izao. Taorian’ny fanaterana taratasy nataon’ny mpanolotsaina avy amin’ny Tim firaisankina, mouvement Gasikara ary ny Antoko politika madio sy ny omanisma ekologista ho fampafantarana ny ben’ny tanànan’ Antananarivo ity famoriam-bahoaka hanehoana ny tsy fankasitrahana ny destazy sy fahatapahan-drano lavareny eto andrenivohoitra ity, no nitranga ity fisamborana ity, omaly tamin’ny 11 ora antoandro. An-dalana hametraka taratasy any amin’ny prefektoran’Antananarivo ao Tsimbazaza izy ireo no voalaza fa nisy olona manao fanamiana sivily nanakana ary naka azy ireo tamin’ny fiara miisa roa. Araka ny vaovao hatrany dia nentina eny amin’ny tobin’ny zandary eny Fiadanana izy mianadahy ka mbola tsy fantara mazava izay mety tohin’ny raharaha hatramin’ny fotoana nanoratana izao vaovao izao.
D.R





