- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHetsiky « fotsy » tetsy Andranomena : Noravain’ny Emmo « am-pilaminana »

Hetsiky « fotsy » tetsy Andranomena : Noravain’ny Emmo « am-pilaminana »

Na dia teo aza ny didy navoakan’ny prefektioran’ny pôlisy ny alakamisy lasa teo, mahakasika ny tsy fahazoana manao hetsika famorian’olona an-dalambe, ankoatry ny fampielazankevitra nahazoana alalàna dia tsy nisy an-tery setra, nataon’ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Emmo, nentina nandravana ny « hetsika fotsy », tetsy Talatamaty, omaly. Azo lazaina fa « am-pilaminana » tanteraka no nanaovan’izy ireo izany, raha toa ka baomba mandatsa-dranomaso sy ramatahora, no nisy hatramin’izay.

Raha ny omaly tokoa mantsy dia nifampitaona indray tetsy Andranomena ireo mpomba sy mpanaraka ireo vondron’ny kandidà, mitaky ny ara-dalàna. Nitanjozotra niakatra nihazo an’Ambohibao iny izy ireo, ary nivondrona tetsy Talatamaty. Tazana teny foana, nandritra izay ireo andiana mpitandro filaminana, niezaka nifehy ireto vahoaka marobe ary nandamina ny fifamoivoizana tsy hitohana. Mazava ho azy, voarakoraka hatrany ireto farany saingy tsy nivoana tamin’ny fampiharana herisetra, toy ny nisy ny alakamisy sy zoma teo izany. Tsy nisy ny fandefasana etona manempotra, ny fisamborana na ny famerana ny olona tsy haka sary amin’ny findainy.

Na izany na tsy izany aza anefa, tsapa ho efa ao anatin’ireto vahoaka tao anatin’ny « hetsika fotsy » ny tahotra ka na ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana fotsiny, tamin’ny fiara maromaro dia efa ampy nampikorontana kely sy nampitsoaka azy ireo, eny fa na hatramin’ireo mpitarika aza. Saingy niverina tamin’ny filaminana ihany izany nony kelikely. Niverina tamin’ny laoniny ihany koa ny fifamoivoizana tapaka tao anatin’ny fotoana vitsy teny an-toerana. Niala teo amin’ny « rond point » Talatamaty moa ny sasantsany tamin’ireo mpanao « hetsika fotsy » taorian’izay ary nizotra nihazo an’Ivato iny ary nirava nony kelikely.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici