Ny faran’ny herinandro teo no nanao ny hetsika fanaony ireo solontenan’ny kandida folo eto Toamasina. Teo amin’ny kianja malalaky ny lycée teknika Tanambao V no nanaovana izany, sy nifampitaona tao anatin’ny fandaharam-potoana. Maro ny lahateny nifaovan’ireo solontenan’ny kandida nandritra ny fandraisam-pitenenan’izy ireo, ka isan’ny nivaky ny antom-pijoroana amin’izao ny Me Tody Arnaud, fa mila mijoro toy ny an-drenivohitra koa ny eto Toamasina, satria ara-drariny ny fitakiana atao. Tsy inona izany fa momba ny tsy fisian’ny fifidianan feno hosoka sy halatra ary fanodinkodinana samy hafa ny 16 novambra izao, eo koa ny ho fandravana ny fitsarana avo momba ny lalampanorenna sy ny CENI ary ny governemanta tsy ara-dalàna. Nandritra ny hetsika natao rehetra dia feno mpitandro ny filaminana ny manodidina ity kianja nanaovan’ny solontena ny vondron’ny kandida Toamasina, ka vao nifarana ny kabary samy hafa nifandimbiasana ka nikasa hanao filaharana an-dalam-be izy ireo na efa hariva aza ny andro, dia voatery nanakana izany ireo mpitandro ny filaminana izay efa niomana tamin’izany, ka tsy raikitra ilay diabe nokasaina nataon’izy ireo nandritra izany. Tsy nisy aloha ny zavatra nipoaka nandritra izany, nanaraka ny toro-marika nifaovana taminy koa mpanara-dia ny kandida Toamasina.
Malala Didier