Mikasa ny hamory vahoaka mikasika ny fanazavana ilay lalam-pifidianana nampisy olana teo anivon’ny antenimieram-pirenena farany teo ireo vondron’ny depiote mpanohitra eo anivon’ny faritra telo, Atsinanana – Alaotra-Mangoro – ary Analanjirofo, ary efa nahazoan’izy ireo fankatoavana ny hanaovana izany anio sabotsy 14 aprily tolakandro, ao amin’ny efitra fivorian’ny lapan’ny Tanana, araka ny faneken’ny ben’ny tananan’i Toamasina tamin’ny alalan’ny lefitra faharoany, Atoa Jean Maurice. Tsy naharay fangatahana mikasika izany anefa ny prefektioran’i Toamasina, ka nandrara ny fanaovana ity famoriam-bahoaka ity, na an-kalamanjana na anaty trano mihidy, satria mety hiteraka korontana amin’ny filaminam-bahoaka ny fisiany. Voarara tanteraka ny fanaovana izany ary efa vonona hiatrika izany ny Emmo-Reg, araka ny fanapahan’ny OMC Atsinanana. Milaza anefa ireo vondron’ny depiote mpanohitry ny faritanin’i Toamasina ireto fa zon’izy ireo ny mamory vahoaka amin’ny anaovana tatitra sy fanazavana ny fivoriana natrehan’izy ireo teo anivon’ny antenimieram-pirenena, noho ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka mpifidy. Niisa 500 rahateo ny fanasana efa nozarain’izy ireo ho an’ny vahoaka sy ireo olona nasaina manokana, ka milaza ny tsy hihemotra amin’ny hetsika hatao izy ireo anio. Ho an’ny OMC sy ny prefektioran’i Toamasina kosa anefa dia samy manana ny distrika niaviany ny depiote mikasa ny hanao izany eto, koa inona ny antony tsy hamonjena ny distrika nahalany azy ireo avy manao izany ho an’ny vahoakany nifidy azy tany. Misisika izany ny andaniny, manakana noho ny lalana ny ankilany, koa mifandrirotra ny tady anio. Ahiana noho izany ny “sakoroka” sy ny “korontana”. Ankoatra izany dia ny ben’ny tanana Ratsiraka Elise Laurent no tena hitondra takaitra amin’izao raharaha izao, satria efa manana ny antontan-taratasiny eo anivon’ny minisiteran’ny atitany tamin’ny fampiatoan’ny mpanolotsain’ny kaominina (Mapar – Tim – Hvm – Mts – ary tsy miankina) azy ny tenany ny taona nivalona, saingy mbola tsy nampiharin’ny Praiminisitra sady minisitry ny atitany izany hatreto. Koa mety hivoaka tampoka io antontan-taratasy io raha misisika hanome alalana ny lapan’ny tanana hanaovan’ny depiote mpanohitra hetsika ny tenany anio…
Malala Didier