- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversHetsiky ny depiote mpanohitra teto Toamasina : Nirefotra indroa ny grenady mankarenin-tsofina

Hetsiky ny depiote mpanohitra teto Toamasina : Nirefotra indroa ny grenady mankarenin-tsofina

Tokony ho tamin’ny 03 ora ny sabotsy tolakandro teo no nigadona niaraka tamin’ireo vahoakany ireo depiote mpanohitra nahitana an-dRtoa Naharimamy Irma, Atoa isany Famindra Justin izay mpitondra teninin’izy ireo, Roilahy Jonah, Tody Arnaud ary depiote Mamy. Nisy avy hatrany ny fifampiresahana teo amin’izy ireo sy ny mpitarika ny Emmo-Reg nisahana ny fitandroana ny filaminana manodidina ny “Dojo” Soavita, sy ireo lalana miditra rehetra ity toerana ity, noho ity hetsiky ny depiote mpanohitra teto Toamasina ity tsy nahazoana alalana avy amin’ny prefektiora noho tsy fisian’ny fangatahana mialoha amin’ny famoroam-bahoaka. Raikitra tao anatin’ny 10min teo ny fifanazavana nivaika ho fifamaliana teo amin’ny roa tonta, nefa nanaiky nanokana ny barazy voalohany ihany ny Emmo-Reg ka faly sy velon-kira ireto depiote sy ireo olona nanara-dia azy nihazo ny “Dojo” Soavita araka ny fahazoan-dalana azon’izy ireo tamin’ny ben’ny tananan’i Toamasina tamin’ny alalan’ny lefitra faharoany Jean Maurice. Tao anatin’izay anefa efa niandry ireo depiote sy ireo olona nanara-dia azy ireo mpitandro ny filaminana maro be efa vonona amin’ny zavatra hitranga; ka raha mbola nifandamina tamin’ireto mpitandro ny filaminana izy ireo dia nirefotra in-02 ny grenady mankarenin-tsofina izay nahatonga ny sasany tamin’ireto olona nentin’izy ireo nitsoaka, niezaka mbola nifandamina tamin’ny mpitandro filaminana hatrany ireto depiote nefa tena tsy tafiditra tao amin’ny “Dojo” Soavita mihintsy hatramin’ny farany. Niditra tamin’ny dingana manaraka izy ireo ka nitanjozotra nanaraka ny “Boulevard de la Bourdonnais” ary nihazo ny lalana “Ratsimilaho” teny amoron-dranomasina, nohazoan’izy ireo ny trano fisakafohanana “le Bateau Ivre” safidin’izy ireo faharoa nanaovana ny tatitra tamin’ny vahoaka momba ny lalam-pifidianana sy ny raharaham-pirenena. Teo amin’ny ora iray sy 20min ny nanaovan’izy ireo ny tatitra izay notronin’ny mpandrindra eto Toamasina I sy Toamasina II ny antoko Tiako I Madagasikara, izay nilazan’izy ireo fa hiady hatramin’ny farany ireo depiote mpanohitra rehetra miisa 73 ao tsimbazaza, satria tsy ekena hiverina eto amin’ny firenentsika intsony ny “jadona” sy ny “kolikoly avo lentam-panjakana” ary ny tsy fanajana ny “demokrasia”; satria avelao halalaka ny fifidianana fa mahay izay tiany sy izay mahasoa azy ary izay hitondra fampandrosoana marina eto ny vahoaka mpifidy. Tao anatin’izay dia nameno ny moron-dalana manodidina ny “Bateau Ivre” ny Emmo-Reg, izay niteraka feo nandeha fa ho samborina ny depiote Naharimamy Irma. Raha nanontaniana izany ny lehiben’ny Emmo-Reg dia nilaza fa tsaho  niniana nahely izany ho fanaratsiana azy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici