Efa eto Toamasina avokoa ireo solombavambahoaka eo anivon’ny fanovana mivondrona ao anatin’ireo depiote 73 miady amin’ny jadona sy ny kolikoly ary ny fangatam-pialan’ny filoham-pirenena. Efa eto Toamasina hatramin’ny omaly hariva ny depiote avy ao Ambatondrazana, Moramanga, Toamasina I sy II, Vavatenina, Mahanoro, ary Soanierana Ivongo, hitarika amin’ny tany malalaky ny lapan’ny tananan’i Toamasina. “Malalaka amin’ny fenehoan-keviny ny rehetra, tsy azo sakanana amin’ny politika tiany ny vahoaka, nefa tsy ekena kosa ny fanelingenana ny hafa amin’ny mety fisian’ny fanakanan-dalana, na fandrobana, ary fanimbana fananam-bahoaka”, hoy ny mpitandro ny filaminana. Efa vonona kosa ireo solombavambahoakan’ny fanovana ireto hitafa sy hitondra ny vaovao rehetra mikasika izao tolona ataon’izy ireo tohanan’ny vahoaka izao. Nomarihan’izy ireo fa voafehin’izy ireo ny vahoaka mpiara-dia aminy amin’ny filaminana sy fandaminana; nefa manao antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana izy ireo hanao ny asany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary tsy handrefitra amin’ireo mety hanakorontana. Isan’ny hanafana ny lanonana eto Toamasina ny tarika Dah Mama, ary iarahan’ny Mapar-Tgv, ny Tim, ny MMM, ary ireo vondrom-pikambanana ara-politika sy ara-tsosialy ny hetsika atao. Tsy atahorana ny sakoroka anio, satria samy nanaiky sy nifanaiky ny rehetra fa hanaja ny lalana.
Malala Didier