- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHetsiky ny kandidà 11 : Raikitra ny totohondry tetsy Anosibe

Hetsiky ny kandidà 11 : Raikitra ny totohondry tetsy Anosibe

Nivoa-drà, mangana tarehy, saingy soa ihany fa tafatsoaka ! Tovolahy iray, manodidina ny 19 taona teo no ho eo no nifandrimbonan’ny andian’olona maromaro nodarohana, nandritra ny hetsika nataon’ireo kandidà 11 tetsy Anosibe Tsena omaly. Maro ny tonga namaly ny antso ary nilamina ny hetsika ! Izay no azo amehezana ny hetsik’ireo kandidà 11 omaly tetsy amin’ny boriborintany fahefatra iny. Niainga tetsy Mahamasina ny diabe nataon’izy ireo, niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy, nandalo an’Anosibe iny ary nipaka hatraty Andavamamba. Na izany na tsy izany aza anefa, nisy ihany ireo tranga kely madinidinika teny an-tsefatsefany teny. Toy ity tetsy nitranga tetsy tsenan’Anosibe ity. Iaraha-mahalala tokoa fa anisan’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana iny faritra iny, ary fanararaotan’ireo tontakely ny mahavory olona betsaka tahak’iny omaly iny. Nandritra iny diabe iny ary. Raha niato kely teo amin’ny tsena ireo kandidà, niezaka nitafa tamin’ireo mpanara-dia, ireo mpiantsena sy mpivarotra ka nitangorona izay tsy izy ny olona. Tao anatin’izany, tery amin’ny sisin’arabe ankavanana, raha hitodi-doha ho any Anosizato iny, no nisy andian’olona nifampitaritarika. Nisy tovolahy iray voatifitry ny totohondry mafy dia mafy, narahan’ny sasany daka mandrivorivo ary mbola nisy nanenjika ihany. Tsy fantatra mazava izay zava-nitranga. Fa raha ny filazan’ireo mpivarotra sasantsany teny an-toerana dia toa hoe mpangarom-paosy ity tovolahy ity ary saika hanararaotra haka zavatr’olona tao anaty famoriam-bahoaka tao, saingy nisy nahatsikaritra. Niezaka niala nitsoaka, ny daroka sy vonon’ireto olona nahatratra azy moa ny tovolahy ary poa toa izay, ny nitsoriahany tao anaty vahoaka sy nahatafaporitsaka azy, eny fa na dia efa mangana sy naratra aza ny tarehiny. Mazava ho azy fa tsy hita hosamborina sy hoenjehina intsony ny lehilahy. Ny mpitandro filaminana rahateo, mbola somary « sahirankirana » niezaka nandamina ny fifamoivoizana sy nanara-maso teny lavidavitra teny ny fizotr’ity hetsik’ireo kandidà 11 ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici