- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversHetsiky ny mpitandro filaminana : Mpisam 9 voasambotra

Hetsiky ny mpitandro filaminana : Mpisam 9 voasambotra

Ny faran’ny herinandro teo, nisy hetsika nataon’ny mpitandro filaminana teny amin’ny faritra Antanimora sy Tsiadana. Vokany mpanao sinto-mahery sivy no tsy maintsy nosamborina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa mahazo vahana ny endaka sy ny harom-paosy eny amin’ireo toerana voalaza ery ambony ireo. Nahitana izany koa teny amin’ny tonelina Ambanidia. Voalaza fa tamin’ny zoma teo avokoa no niseho ireo asan-jiolahy ireo. Ireo niharan’ny endaka nanao fitarainana dia afaka nanome ny bikabikan’ireo andiana bandy ireo, ny fitafiana nanaovany sy ny fomba fanaony Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa eny akaikin’Antanimora no tena fanaovan’ireo olon-dratsy ny fanendahana sy fangaronana paosy, sahala izay niseho tao amina alim-pandihizana iray. Tamin’ny andron’ny fisamborana, tsy tratra avokoa ireo bandy fa nisy efatra tafaporotsaka, hoy hatrany ny vaovao voaray.

Tsy eny amin’iny faritra iny ihany amin’izoa fotoana izao no mirongatra ny asa fanendahana fa saika manerana ny renivohitra. Ny toerana somary mangina no fanaovan-dry zalahy izany. Voalaza fa tsy mifidy izy ireo fa alainy avokoa izay zavatra eny amin’ny olona robainy. Tsy mifidy fotoana ihany koa ireo mpisam fa rehefa sendra azy dia mitondra faisana avokao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser