- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHetsiky ny Parlemantera Tim androany : Misy andian’olona mikasa hanakorontana

Hetsiky ny Parlemantera Tim androany : Misy andian’olona mikasa hanakorontana

GENDARME-(2)Raha ny vaovao farany azon’ireo mpitandro filaminana dia tsy nahazo alalàna avy amin’ny kaominina sy ny prefektioran’ny pôlisy, hanao hetsika etsy Ambohijatovo sy Analakely ireo Parlemantera Tim, mikasa ny hamory vahoaka eny amin’ireo toerana ireo, ho fanoherana ny fisamborana an’Atoa Ravalomanana androany. Noho ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara dia efa vonona ny ato amin’ny mpitandro filaminana handrava izany hetsika tsy nahazoana alalàna izany, raha mbola mikasa ny hisisika ihany izy ireo. Voalazan’ny fitsipika, nolanian’ny mpanolo-tsainan’ny tananan’Antananarivo mantsy fa mandritra ny fotoana tsy voafetra dia tsy azo atao ny manao hetsika famoriam-bahoaka eo Ambohijatovo, ary manankery hatramin’izao io fitsipika io, raha ny voalazan’ireo lohandohan’ny Emmo Reg, omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, tetsy Ankadilalana. Fantatra ihany koa, hoy hatrany izy ireo, fa misy andian’olona maromaro, mialokaloka eny Ambohijatovo sy eny ambanin’ny Arcade, mikasa ny hanakorontana sy handroba, hanararaotra amin’io hetsika io. Manoloana izany dia tsy maintsy mandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana. Nampitomboina ny fiambenana sy ny fisafoana ary ny fisavàna izay olona mety hampiahiahy, hoy hatrany izy ireo. Ary tsy maintsy hampiharina amin’ireo mpihoa-pefy ny lalàna, na iza izy na iza, raha ny nambaran’izy ireo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser