- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireFanafihana teny Anjohy : Hiakatra fampanoavana anio

Fanafihana teny Anjohy : Hiakatra fampanoavana anio

Samy nanokatra fanadihadiana na ny zandary na ny polisy

Anio no hatolotra ny fampanoavana ireo olona izay voarohirohy mahakasika ny fanafihana fiara nitondra vola haterina eny amin’ny banky, teny Anjohy. Olona enina no efa eo am-pelan-tanan’ny polisy misahana ny heloka bevava ary efa vita fanadihadiana. Efa nanomboka afak’omaly ny fanolorana azy ireo tetsy Anosy saingy mbola mitohy anio. Ny zandary koa dia nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity rehefa nametraka fitoriana teny anivony ny tompon’ny orinasa izay etsy Ambohimiandra. Raha tsiahivina dia fiara tokony hanatitra vola izay mitentina 400 tapitrisa ariary no nisy nanakana teo Anjohy. Sady nisy fiara no nisy kodiaran-droa nentin’ireo olon-dratsy. Fantatra anefa fa nisy mpitandro ny filaminana roa lahy tao anatin’ny fiara nitondra vola ary ireo no nampiandraiketina ny fanamafisana ny fiambenana. Saingy sendran’ny be noho ny vitsy sy ny jiolahy tena za-draharaha ary dia lasa hatramin’ny basin’izy mirahalahy. Vetivety dia voasambotra ny isan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana ary nisy ny vola efa hita teny amin’izy ireo. Efa nisy fifampizaràna teo amin’ireo olon-dratsy ary mba samy voaverina ny ankamaroan’ny vola izany teny amin’izy ireo. Tao anatin’ity raharaha ity dia isan’ny voasambotra koa ny mpitam-bolan’ny orinasa. Ny mahakasika azy io indray – raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana – dia noho ny fijapiana ny fisian’ilay fanafihana mba hanabotsonana ny vola voalaza fa very. Raha ny tsilian-tsofina re dia nohararaotiny ny fisian’ilay fandrobàna mba hanaromana ny fanodikodinam-bola nataony. Tao anatin’ny raharaha dia efa nisy nogiazana ny fananany sasany rehefa nisy porofo momba ny fanodinam-bola. Samy manao fanadihadiana na ny polisy na ny zandary momba ity raharaha ity ary mbola misy koa ny olona izay karohina. Mbola tsilian-tsofina koa no nandrenesana fa misy olona mbola tokony hamita sazy ao anatin’ity tambajotran-jiolahy ity ary manana lamosina mafy. Inoana fa hiompana amin’izany ny fitohizan’ny fanadihadiana satria olon-dratsy hatahorana hamerina fanafihana etsy sy eroa izany no mbola mandehandeha any. Ary tokony saziana koa ny atidoha mikotrika amin’ny fampiasàna azy ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici