Herinandro lasa izay, dia nolavina ny fangatahany fahafahana vonjimaika. Omaly kosa, raha noheverin’ny maro fa ho tapitra ny fitazonana am-ponja azy, dia ny nifanohitra tanteraka tamin’izany no niseho : nosaziana an-tranomaizina sazy mihatra Hiary Rapanoelina. Tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fitsarana ady heloka tsotra izany ny fanalan’ireo olona rehetra rehetra ny taratasy fitoriany an’ity artista voakasika ity. Tsy naharitra ela intsony ny famoahana didy omaly tao amin’ny efitrano faharoa. Ny vadin’i Hiary Rapanoelina kosa dia nafahana noho ny fisalasalana tamin’ity raharaha izay naha-voasaringotra azy ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fandrindràna ny vondrona facebook “Fifosana hanatsarana pipoles gasy”. Telo ny fiampangana an’i Hiary Rapanoelina dia ny fanalam-baraka ny solombavambahoaka Harijaona Andriamalala, ny fanalam-baraka ny artista izay nivondrona teo anivon’ny syndikan’ny mpanakanto ary ny fahatelo farany dia fikasàna haka an-keriny ny zanaky ny solombavambahoaka izay efa notononina anarana etsy ambony. Ny fehezan-dalàna mahakasika ny « cybercriminalité » no nanenjehana azy araka ny andininy faha-16 sy faha-20 amin’ny lalàna 2014-006 tamin’ny 19 jona 2014. Tsy afa-po tamin’ity didim-pitsarana ity ny fianakavian’ny voampanga ary nilaza ny hampiakatra fitsarana ambony. Ho an’ny olona tonga nanaraka ity raharaha ity teny Anosy indray, dia nilaza izy ireo fa mafy loatra ilay fanasaziana. Ny antony dia satria efa niala tsiny i Hiary Rapanoelina ary efa nanala ny fitoriany rahateo ireo artista sy mpanao politika voakasiky ny fanalam-baraka. Hiary Rapanoelaina izany no Malagasy voalohany nigadra noho ny fampiasana facebook avy amin’ny fampiharana ny lalànan’ny “cybercriminalité”. Voalohany dia betsaka ny mahafantatra ny fisian’io lalàna mifehy ny fitaovan-tserasera informatika io ary na ny mpitandro ny filaminana aza dia vao manokatra ny sampan-draharaha misahana izany. Isan’izany ny teo anivon’ny pôlisy izay vao tamin’ny volana lasa teo no nisokatra. Raha jerena amin’io lafiny io, dia toa lasa andrana ihany ity nanjo an’i Hiary Rapanoelina ity. Ankoatr’izay, ny lalàna alohan’ny hampiharana azy dia mila fampahafantarana faobe aloha. Mba nisy an’izany ve ity “cybercriminalité” ity? Betsaka ny miasa saina ankehitriny rehefa nanaraka ity raharaha ity, satria olona an-tapitrisany maro no mampiasa ny tambajotra sosialy mba hizarany vaovao ary indrindra mba hanehoany ny heviny, hevitra izay tsy heno mihitsy any amin’ny sehatra hafa. Ekana fa ny fanalam-baraka dia mijanona hatrany ho fanalam-baraka, fa raha misy milaza ho afa-baraka amin’ny fanehoan-kevitra tsotra kosa na tsy voatonona anarana aza, mety hiteraka olana be ho an’ny fahalalahana maneho hevitra izany…
D.R