- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversHiary Rapanoelina : Nivadika sazy miantona ny fanamelohana an-tranomaizina

Hiary Rapanoelina : Nivadika sazy miantona ny fanamelohana an-tranomaizina

Omaly no nivoaka ny didin’ny fitsarana ambony. Sazy miantona herintaona no niampangana an’i Hiary Rapanoelina. Azo lazaina ho nandresy izy izany tamin’ny tsy fanekeny ny fiampangana azy tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ka nahatonga azy nampiakatra teo anivon’ny fitsarana ambony mba hitsipahana ny didy. Ny 7 martsa izy no nomelohin’ny fitsarana ady madio herintaona an-tranomaizina ary fito volana taty aoriana no nivoaka ny fangatahana fitsipahana izany. Fanalam-baraka avy amin’ny fidirana amin’ny fiainan’oloa, fikasana haka an-keriny ny zanaky ny solombavam-bahoaka iray, ireo ny vesatra ara-pitsarana an’ity mpanakanto ity. Izany dia avy amin’ny pejy facebook “fifosàna tsara hanatsarana ny people gasy” izay tsy nisy afa-tsy ny fitsikerana avy amin’ny mpampiasa facebook amin’ny ankapobeny. Artista, olom-boafidy ary olon-tsotra no indray tohana ka nametraka fitoriana. Rehefa tena nandeha anefa ny raharaham-pitsarana dia nitsetra an’i Hiary Rapanoelina ireo ka nisintona ny fitoriany. Tsy nisakana ny fampidirana am-ponja azy anefa izany satria efa tafiakatra ambony be ny raharaha. Lesona azon’ny rehetra tsoahina ity nitranga ity, indrindra fa ireo mpanao “compte fake” izay mivelona amin’ny fanaratsiana olona. Fantatra ny fisian’izany sy ny mpanakarama azy ary koa ny tanjona ara-politika ao ambadiny. Handrasana ho lasa lavitra ny asan’ny sampana “cybercriminalité” an’ny mpitandro ny filaminana izay efa am-perin’asa tsara ankehitriny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici