- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversHiary Rapanoelina : Nolavina ny fangatahany fahafahana vonjimaika

Hiary Rapanoelina : Nolavina ny fangatahany fahafahana vonjimaika

Omaly no notontosaina ny fitsarana mahakasika ny raharaha “Fifosana hanatsarana pipoles gasy” izay nampidoboka am-ponja ny mpanakanto Hiary Rapanoelina ary naha-voarohirohy ny vadiny. Tao amin’ny efitra faharoa izay fitsarana ny ady heloka tsotra no natao izany ary nanomboka tamin’ny 11 ora maraina. Telo ny fiampangana an’i Hiary Rapanoelina, dia : ny fanalam-baraka ny solombavam-bahoaka Harijaona Andriamalala, ny fanalam-baraka ny artista izay nivondrona teo anivon’ny syndikan’ny mpanakanto ary ny fahatelo farany dia fikasana haka an-keriny ny zanaky ny solombavambahoaka izay efa notononina anarana etsy ambony. Ny fehezan-dalàna mahakasika ny « cybercriminalité » no nanenjehana azy araka ny andininy faha-16 sy faha-20 amin’ny lalàna 2014-006 tamin’ny 19 jona 2014. Tsy nisy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana ny mpitory ary efa noheverina ihany izany, satria izy ireo dia efa samy nanatsoaka ny fitoriany avokoa. Izay rahateo no nanompanan’ny mpisolovava, ny Me Andriamiseza Mamy ny fiarovana : “efa nanala fitoriana ny mpitory ka rariny loatra raha ajanona ny fanenjehana ara-pitsarana”. Tao anatin’izay ihany koa nasongadiny ny fialan-tsinin’ny olona narovany momba ny fanokafana ny kaonty facebook izay niteraka fanalam-baràka taty aoriana. Hiary Rapanoelina rahateo, dia namerina izany fialan-tsiny izany tamin’ny olona izay voakasika no sady nanazava ihany koa, fa tsy vitany intsony ny nandrindra ilay vondrona noho izy efa tafakatra 70.000 ny mpikambana. Noraisin’ny fampanoavana izany fialan-tsiny ary hodinihana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Nisintona rahateo ny fitsarana ary nanapa-kevitra ny hamoaka ny didy amin’ny 7 martsa hoavy izao. Nolavina ihany koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika tao anatin’ity raharaham-pitsarana ity, omaly. Maro ny olom-pirenena no manaraka akaiky ity raharaha ity, satria tsy fantatra mazava ny tena vontoantin’ny lalàna izay mahakasika ny “cybercriminalité”, lalàna vaovao izay vao tamin’ny 2014 rahateo no nolanian’ny solombavambahoaka ary tsy dia nampahafantarina firy. Betsaka ihany koa ny manafangaro azy amin’ny lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana na dia lalàna roa samy hafa aza izy ireo. Ao amin’ny lalànan’ny serasera mantsy dia mazava tsara fa tsy mampigadra ny fanehoan-kevitra amin’ny fitaovan-tserasera momba ny asan-gazety. Tamin’ny ady mangotraka tamin’ny fitakiana ny fahalalahana ireny, tamin’ny herintaona, dia re fa nasiam-panovana teo anivon’ny governemanta ny lalàna mahakasika ny “cybercriminalité”. Saingy izany dia tsy fantatra mazava hoe ny inona no niova. Midika izany fa mila fampianarana betsaka ity lalàna iray ity alohan’ny tena hampiharana azy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici