
« Nahazo alalàna ary mitsangana ara-dalàna ». Hanakoako ato ho ato, raha ny fampahafantarina nentin’ireo tompon’andraikitra, ny « Feon’ny Demokrasia ». Gazety filazam-baovao an’habaka, izany hoe, tsy misy afa-tsy any anaty aterineto sy tambajotra sosialy. « Nosafidiana manokana izay, noho ny fahatsapana ny firoboroboron’ny teknolojia amin’izao fotoana izao ary mba ahazoan’ny rehetra misikatra vaovao haingana sy eo no eo, marina ary voamarina. Etsy andanin’izay, tsapa ihany koa fa maro ireo olona ao anatin’io tontolo io no misalavona ny asantsika mpanao gazety, tsy manana akory ilay tandro-hasina sy ny malin’asa, izay maha-mpanao gazety ny mpanao gazety. Antony hidiranay an-tsehatra izany » hoy hatrany izy ireo.
Mbola maro ireo teritery mahazo ny mpanao gazety amin’izao ary toa tsy afaka maneho ny heviny an-kalahanana izy ireo. Izay indrindra no antom-pisian’ny « Feon’ny Demokrasia ». « Kianja iray nataonay hanehoana hevitra ihany koa izy io, ao anatin’ny fanajàna ny lalàna sy ny fifanajàna tanteraka ». Tsy manana fironanana manokana ity gazety an’habaka vaovao ity fa saika hita aminy avokoa rehefa mety ho vaovao eto an-toerana : ny politika, sosialy, trangam-piarahamonina, kolontsaina ary ny fanatanjahan-tena. Maimaimpoana ny fijerena ireo lahatsarotra rehetra ao anatiny. « Efa fantatray ny olan’ny rehetra amin’ny resaka « data ». Nataonay faran’izay maivana dia maivana io tranonkalanay io ka tsy atahorana velively ny handany izay « data » izay. Moa etsy andanin’izay, afaka manaraka tsy tapaka ny pejy facebook-nay ihany koa ireo mpanara-baovao. Izany hoe natao ho an’ny rehetra ary efa afaka tsidihana soa aman-tsara », raha ny filazan’i Nyh Gabriel Andriamitantsoa, mpanao gazety, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Feon’ny Demokrasia.
m.L