- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversHilton Ambatondrazaka : Lasa toerana fivarotana rongony

Hilton Ambatondrazaka : Lasa toerana fivarotana rongony

Tsy araky ny lazany hatramin’izay raha nantsoina hoe Hilton ity toerana ity. Niavaka tokoa izy fahiny satria toa isan’ireo toerana niavaka noho ny fisian’ny trano vaventy sy naresaka tokoa ary azo lazaina fa nilamina. Ankehitriny anefa, zary lasa zohy fiheren’ireo mpivarotra zava-mahadomelina raha ny vokatra azon’ny polisy mitandro ny filaminana tany an-toerana farany teo no jerena. Araka ny tatitra avy any an-toerana dia vehivavy sy lehilahy, 23 sy 43 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Ambatondrazaka ny 5 jiona 2021 noho ny resaka fivarotana rongony. Azo izao vokatra izao noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po izay nahazoana loharanom-baovao milaza ny fisiana olona mivarotra rongony ao amin’ny toerana iray antsoina hoe Hilton izay ao amin’ny kaominina Ambatondrazaka. Ny andron’ny 5 jiona dia nidina tao amin’ity toerana ity ny Polisy tokony ho tamin’ny 2 ora antoandro nanamarina izany. Tsy nandainga tokoa ilay vaovao fa tratra teo am-pivarotana izany zava-mahadomelina izany tokoa ireo olon-dratsy voalaza raha vao nigadona teny an-toerana ny polisy. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana azy ireo ny Polisy. Nandritra ny fisavana ny trano dia nahitana fonosona rongony miisa 31 tao amin’ilay vehivavy ary rongony mbola tsy voafono milanja 300 grama kosa no tratra tao amin’ilay lehilahy. Noentina namonjy ny birao avy hatrany ireto farany nanokafana fanadihadiana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici