- Publicité -
samedi, octobre 11, 2025
AccueilFaits-DiversHisy famotsoran-keloka ? : Nisy naka ny lisitry ny voafonja politika

Hisy famotsoran-keloka ? : Nisy naka ny lisitry ny voafonja politika

Omaly no nisy tompon’andraikitra izay naka ny anaran’ny voafonja politika sy ny mombamomba azy ireo, isan’izany ny daty  fanombohan’ny famonjàna vonjimaika ho an’izay mbola tsy voatsara. Nalaina izany ary nampitaina tany amin’ny tompon’andraikitra ambony izay tsy mbola fantatra izay tena niantefany. Na izany aza, raha oharina amin’ny toe-javatra izay misy eto amin’ny firenena dia mihevitra ireo voafonja fa mizotra any amin’ny famotsoran-keloka no mety ho antony. Raha tsiahivina dia herinandro talohan’izao no nisy ny famindràna fonja azy ireo, any amin’ny metimety kokoa raha adika tsotsotra, eny fa na dia nolazaina aza fa noho ny antony tsy fandriampahalemana ny antony. Velom-bolo ny mpanati-bary na koa ny havan’ny voafonja politika omaly raha nandre ny zava-nisy. Amin’izy ireo mantsy dia hivoaka tsy ho ela izany ny olona ary dia ho tapitra hatreo ny fahasahiranana mivezivezy eny am-ponja. Isan’ny natsidik’ireo mpanao fitakiana rahateo io lafiny iray io ary nifampiresahana nandritry ny famelabelaran-kevitra isan-karazany. Tsy nisy fanazavàna ofisialy hatreto ny momba ny famotsoran-keloka ho an’ny voafonja noho ny antony politika ary samy miandry izay fivoarany arak’izany ny mpanara-baovao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici