- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversHJRA Ampefiloha : Mpivady maratra mafy voatafika tany Behenjy tsy misy havana

HJRA Ampefiloha : Mpivady maratra mafy voatafika tany Behenjy tsy misy havana

Efa ho efatra andro izao no tsaboina etsy amin’ny hopitaly Joseph Ravohangy Andrianavalona Ampefiloha (HJRA) Razanakolona Harisson sy Razanajoary Florine vadiny, vokatry ny ratra nahazo azy ireo ny alin’ny alatsinainy 26 aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Teo am-pisakafoanana hariva ireto mpivady no nisy nanao herisetra toa an-tranony ao amin’ny fokontany Amboanjobe, kaomina Behenjy, distrikan’Ambatolampy. Voavely famaky ny lohan’ilay rangahy. Mangana noho ny vono nahazo azy kosa ny maso sy ny vatana manontolon’ilay ramatoa. Tsy fantatra mazava izay anton’izao fanafihana izay voalaza fa olona monina tsy lavitra ny tanàna ihany no nahavanon-doza. Ny mponina tao an-toerana no nitondra azy ireo niakatra aty an-drenivohitra mba hamonjy hôpitaly. Ireo mponina ireo no nifanome tanana mba hiatrehana ny fitsaboana ny maratra satria tsy hita ny havan’ireto mpivady ireto. Tsy niteraka izy ireo fa ramatoa kosa no voalaza fa manan-janaka amin’olon-kafa. Koa miangavy ny mpiara-monina amin’izy ireo mba hampita an’izao vaovao izao amin’izay mahafantatra ireto niharam-boina ireto ka hanatona ao amin’ny HJRA Ampefiloha.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici