- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHo ben’ny tanàna Toamasina : Adin’ny samy ngeza eo amin’ny kandidà roa

Ho ben’ny tanàna Toamasina : Adin’ny samy ngeza eo amin’ny kandidà roa

Isan’ny fifidianana mampangitakitaka ny maro ary arahiny maso ny fifaninanana eo amin’ny kandidà roa dia i Nantenaina sy Roland Ratsiraka. Ho mafy ny fifanandrinana satria roalahy samy manana ny lazany sy ny lanjany ara-politika no hifaninana. I Roland Ratsiraka dia efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany ny alahady lasa teo. Io farany izay sady lany depioten’i Toamasina tamin’ny fifidianana farany teo. Fanta-daza izy amin’ny fahasahiany miteny, indrindra amin’ny fanoherana ny fitondràna. Mivoy mandrakariva ny endrika  « hasarotam-piaro ho an’i Toamasina » izy ary rariny loatra raha tsy tiany ho votsotra eo am-pelan-tanany ny fitantanana ny renivohitr’i Betsimisaraka. Etsy ankilany, andrasana fatratra izay ho kandidà avy amin’’ny antoko TGV. Raha ny resaka mandeha, dia i Rakotonirina Nantenaina Herilala izay ben’ny tanàna am-perinasa no tsara toerana hisalotra ny fanamiana volom-boasary. Isan’ny tombony honazy ny maha-artista azy izay manana mpankafy maro ary koa maro ny manasokajy azy ho « force tranquille » ao Toamasina sy manana ny lanja afaka hifaninana amin’i Roland Ratsiraka. Raha hiverenana dia efa nifaninana ny roa tonta tamin’ny fifidianana tamin’ny 2019. Vao mainka misy tsirony ity indray mitoraka ity ho an’ny mpanara-baovao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici