- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversInfirmiera  sandoka : Ho hentitra amin’ny fanenjehana ny Holafitra

Infirmiera  sandoka : Ho hentitra amin’ny fanenjehana ny Holafitra

« Nandritry ny 15 taona dia niaraha-nahalala fa tao anatiny fikorontanana tanteraka ny sehatry ny infirmiera teto Madagasikara. Tao anatin’izany ihany koa no niroboroboan’ireo karazana fisandohan’andraikitra isan-karazany teo amin’izany asa masina izany. Hiova tanteraka izany ankehitriny ary tsy hitsahatra ny hanenjika ireo mpisandoka andraikitra ny holafitra, na iza io na iza ». Hentitra dia hentitra tokoa Atoa Andrianarison Jean Aimé Botosera na John Love, Filohan’ny Holafitry ny infirmiera eto Madagasikara, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny alakamisy teo, tetsy amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha. Tsy lavitra hoy izy fa etsy amin’ny tsenan’ny Mahamasina dia tsy vitsy ireo milaza fa mahavita mitsapa tosidrà ary tsy eo ihany fa isaky ny elakelan-trano ary manerana ny Nosy. Olona tsy nianatra na tsy nahavita fianarana akory izy ireny kanefa dia misalovana ny asan’ny infirmiera ary tsy ho ekenay velively. Marihana moa fa nisokatra tamin’io fotoana io ny fivoriam-ben’ireo birao rehetra mandrafitra ny holafitry ny infirmiera (ONIM) manerana ny Nosy, izay nahitana ireo solon-tenan’ny birao rezionaly rehetra. Haharitra telo andro izany fivoriambe izany, izay hikaroham-bahaolana manoloana ny tranga maharary mahazo ny infimiera, ka ao anatin’izany ny fisian’ireo fisandohan’andraikitra isan-karazany. Hodinihana mandritra izany fotoana izany ihany koa ny fandraisana fepetra mahakasika ireo sekoly tsy manara-dalana, mivarotra diplaoma, milaza fa mamoaka infirmiera ary ny tokony ho fandaharam-pampianarana hatao any amin’izy ireny. «Fandaharam-pampianarana manaraka ny zava-misy eto amintsika no ilaina hoy ny Filohan’ny Onim fa tsy fandaharana nalain-tahaka fotsiny any ivelany » Ho avoaka ho hitan’ny rehetra moa ny tsoa-kevitra mivoitra mandritra ity fivoriam-be ity. Fikaonan-doha tanterahana etsy amin’ny efitrano malalaky ny hopitaly Hjra, izay notarihin’ny Filohan’ny Holafitra vaovao niaraka tamin’ireo birao vaovao mandrafitra azy ary notronin’ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Ministera mpiahy sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony misahana ny paramedikaly eto Madagasikara.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici