Mbola vao aty amin’n volana Jolay dia efa fantapantatra sahady ireo kandida hifaninana hilatsaka ho ben’ny tanana eto amin’ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Hita taratra sahady izany amin’ny siosion-dresaka sy fametraham-pialana amin’ny andraikitry ny sasany amina resaka fitantanana. Tsiahivina fa kaominina isan’ny manana velaran-tany midadasika indrindra aminn’ faritra Antsinana faharoa ny kaominina Mahavelona Foulpointe, azo hambara ho faritra stratezika izy noho izany amin’ny resaka politika ary hifandroitan’ireo antoko polikita maro. Fantatra fa isan’ny manana kandida hilatsaha ho ben’ny tanana ny antoko Freedom eto Mahavelona Foulpointe raha ny resaka mandeha etsy sy eroa. Hiverina hilatsaka ihany koa ny ben’ny tanana teo aloha Tody Jaona. Tsy zoviana amin’ny maro moa i Rtoa Rahelinirina Angèle izay fantatra amin’ny anarana hoe Mme Vague eto Foulpointe ho azy fa mbola kandida ihany koa ny ben’ny tanana ankehitriny Ranaivoson Sampy Elin. Efa nanambara kosa ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanana ankehetriny Atoa Tianaina Joel izay vao nametraka ny taratasy fialany aminn’y maha lefitra faharoa ny ben’ny tanana azy fa hirotsaka mpifaninana ho ben’ny tanana ny tenany ka izay no antony ny fametraham-pialany. Voatendry hisolo toerana ity lefitra faharoa ity moa ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny sampandrahara teknika. Marihina fa nisolo vao tsy ela ihany koa ny lefitra voalohany ny ben’ny tanana noho ity farany voahantso amin’ny tetikasam-pandrosoana eo anivon’ny PIC. Tsy vahiny amin’ny hafa no nisolo ny toerany fa efa nanao ity asa lefitra voalohan’ny ben’n tanana ity tamin’ny taona 2020 teto Foulpointe hatrany.Miisa dimy hatreto no fantatra fa kandida hifaninana ho ben’ny tanana eto Mahavelona, mbola hiampy maro izy ireo raha ny resaka mandeha. Voalaza fa tsy tia antoko politika loatra ny mponina eto Mahavelona Foulpointe ka mazana mirotsaka amin’ny anarany avokoa ireo kandida, rehefa mahazo toerana anefa dia mivadika miaraka amin’ny fitondrana toy ireny zava nitranga tamin’ny fifidianana solom-bavambahoaka ireny.
Andry N.