Tonga taty amin’ny Gazety ny rain’ilay tovolahy voalaza fa nanindrona antsy, nitantara ny zavatra niseho tamin’io alina io. Ny sabotsy faha 2 desambra 2015 tamin’ny 8 ora alina dia niara nisotro toaka tamin’ny namany ny lehilahy iray, niaraka tamina vehivavy iray metisy asiatika. Teny ampita nisy olona maromaro nihira sy nitendry gitara, ka anisan’izany ilay tovolahy. Tsy naharitra ireo tery amin’ny ilany fa nangataka hiara- kihirahira tamin’ireo tovolahy ka raikitra ny fiarahana. Nisy anefa tamin’ireo olona maromaro nanao resaka kivalavala tamin’ny tovovavy niaraka tamin’ilay lehilahy. Tsy tantin’ity farany izany ka raikitra ny fananganan-tsandry. Rehefa nahita izany ity lazaina fa nanindrona antsy dia nanasaraka ary dia io indray no nanamparan’ilay lehilahy ny heriny. Koa satria kely sy lehibe, dia lasa nitsoaka nody tamin’ny 8 ora mahery teo ity tovolahy ity. Tetsy andaniny, nitohy kosa fisotroana ho an’ireo mbola teo amin’ilay toerana.
Rehefa tonga ny tamin’ny 11 alina ka nihidy ny bara, dia nanakarama olona ilay lehilahy hanoro ny tranon’ilay lazaina fa mpanindrona antsy, dia tonga izy ireo niditra an-keriny tao rehefa avy nanao herisetra tamin’ny gardien, sy tamin’ny ray aman-drenin’ilay tovolahy. Dia nivoaka avokoa ny fokonolona, nandroaka azy ireo tao an-tanàna. Ny tompon-trano kosa tsy nahasahy nivoaka fa nitsikilo teo am-baravaravakely. Ny reniben’ilay ankizy izay efa valopolo taona mahery dia nandraiky narary tamin’ity korontan’ny alin’ny sabotsy ity. Koa dia nametraka fitoriana teny amin’ny tribonaly ireto fianakaviana nitory ilay lehilahy. Io koa dia nitory ilay olona lazainy fa mpanindrona antsy teny amin ny PMM ka rehefa teny amin’ny tribonaly dia nanapa-kevitra ny mpitsara mpanao famotorana fa hahemotra any zoma ho avy izao ny fitsarana.