- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitakiana fanesorana Talen’ny MSC : “Hojohonjon’olon-tokana, tsy nisy fifampierana akory”

Fitakiana fanesorana Talen’ny MSC : “Hojohonjon’olon-tokana, tsy nisy fifampierana akory”

Nivoaka ny fahanginana ny tatsambo maro eo anivon’ny MSC (Mediterranean Shipping Company) ary nanazava fa hojohonjolon-tokana na koa revirevin’olom-bitsy ny fikasàna hanaisotra ny tale iray (Drh) eo anivon’io kaompania io. “Taitra izahay raha nahita tamin’ny gaety fa omena fe-potoana 72 ora io tale io mba hialàna amin’ny asany. Tsy mbola nisy velively fivoriana na fiantsoana tantsambo MSC monina ao Toamasina nandinihana momba izany. Aminay dia olom-bitsy na olona iray monja izay tsy sahy mitonona anarana no manao izany ary tsy tokony hatao safobemantsina toa izany ny tatsambon’ny MSC. Fanalam-baraka  anay izany ary tsy misy tokony mahazo miteny amin’ny anaran’ny mpiasan’io kaompania io raha tsy nisy fivoriana sy fifampiantsoana mialoha”, hoy ny fanazavan’ireo tatsambo maro. Tsy faly araka izany izy reo tamin’ity fitakiana avy amin’ny olon-tsy fantatra izay novoizina tamin’ny septambra teo. “Aoka tsy halana baraka amin’ny zavatra tsy nifampierana izahay tantsambon’ny MSC Toamasina, izay olon’ny filaminana sy tsy mila korontana”, hoy hatrany izy ireo. Rehefa nohalalinin’izy ireo ny mety ho ao ambadik’ity raharaha ity dia mandeha ny fanahiana ankehitriny ny amin’ny vehivavy iray mpiasa taloha teo anivon’ny kaompania. Nolazain’izy ireo fa manana birao ao amin’ny fonenany io farany ary mbola mampiasa ny anaran’ny kaompania. “Mitady izay fomba rehetra hiverenana miasa amin’ny MSC ary izay no mety ho anton’ny fanaratsiana aty ambadika”, raha araka ny tombatombana sy fanahian’ireo tatsambo hatrany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici