Taorian’ny tao Ambatondrazaka sy Moramanga, dia nitohy teto Toamasina I ny fitsidiham-paritra ataon’ny holafitry ny mpanao gazety notarihan-dRakotonirina Gerard sy ireo mpiara-miasa aminy. Nandritra izao fitsidihana nataon’izy ireo izao no nanoloran’izy ireo ny « gel hydroalcoolique » sy ny aro tava ho an’ireo mpanao gazety teto Toamasina I. fiaraha-miasan’ny holafitra tamin’ireo malala-tanana sy ireo mpiara-miombona antoka amin’ny mpanao gazety, nahitana ny firenana mikambana – ny Unesco, no nahazoana ireto fanomezana ireto. Tsy tara akory ny fanampiana natao, fa tena tafiditra ao anatin’ny ady atao amin’ny Coronavirus mihitsy, satria tsy mbola tapitra akory ny Covid19 na efa miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro ny vahoaka amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy, ka izay no tokony mbola hitandremana ho an’ny be sy ny maro. Nanipika koa ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety nandritra izao diany teto Toamasina izao, fa aoka tsy hosarasarahan’ny hevitra tsy mitovy sy ny hadalan’ny mpampisaraka isika mpanao gazety, satria asa iray isika, noho izany aina iray ihany koa ka mila mifanohana. Ankoatra izany dia tsy tonga tamin’ity fivoriana nataon’ny holafitra fanolorana fanampiana ity ireo mpanao gazety avy amin’ny fanjakana teto Toamasina. Ny antony dia baiko avy amin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ny tsy handraisan’izy ireo izany fanampian’ny holafitra izany. Hitohy any Fenerivo Atsinanana faritra Analanjirofo indray ny dian’ny holafitra tarihan’ny filohany amin’izao fitsidiham-paritra atao mitondra fanampiana izao.
Malala Didier