- Publicité -
jeudi, octobre 9, 2025
AccueilFaits-DiversHolafitry ny mpisolo vava : Manainga ny olona voadaroka hitory hatrany

Holafitry ny mpisolo vava : Manainga ny olona voadaroka hitory hatrany

Isan’ny nisy niharan’ny herisetran’ny mpitandro ny filaminana teny an-kianja koa ny mpisolovava. Nampitroatra ny holafitra izany ka nahatonga azy ireo nampahatsiahy fa anatin’ny lalàm-panorenana tanteraka ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny fahalalahana hivory malalaka ary ny fahalalahana mivezivezy. Nanameloka arak’izany ny mpitandro ny filaminana ity holafitry ny mpisolovava ity manoloana ny herisetra izay nianjady tamin’ny namany ny sabotsy teo, tetsy Anosy. « Tohanan’ny holafitra ireo mpisolovava milatsaka an-tsitrapo, miaro maimaimpoana ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra » raha araka ny fanazavana. Manainga arak’izany izy ireo ny olona izay voadaroka sy niharan’ny tsy rariny mba tsy hilefitra fa hitory araka ny lalàna velona. Ny antony dia satria ny vono sy ratra inian’ny mpitandro ny filaminana atao, fanagiazana finday sy firavaka ary kojakoja hafa kanefa tsy noraketina an-tsoratra, ny fahapotehana finday, ny fiazonana mihoatra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna dia heloka enjehin’ny fehezandalàna famaizana avokoa. Etsy ankilan’izay dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra sy ny olom-pirenena izy ireo ny amin’ny tokony hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny fitsarana. Azo hatao tsara ny mitory ny mpitandro ny filaminana noho izy ireo ambanin’ny fifehezan’ny lalàna, hoy ny mpisolovava.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici