Raha tranga na marary tsy manam-bola takian’ny hopitaly be aminy, mandritra ny fitsaboana azy no mpitsoaka ny hopitaly be hatramin’izay, dia hafa kely ity tranga niseho teo anivon’ity hopitaly oniversitera voalohany teto Toamasina ity, ny talata misandratr’andro teo. Raha ny fanazavana marim-pototra voaray avy tamin’ny tompon’andraikitry ny hopitaly sy ireo mpitsabo tao amin’ity toeram-pitsaboana ity, dia jiolahy mpanendaka tratran’ny fitsaram-bahoaka notsaboina tao miandry ny fakana am-bavany azy sy nandrasana polisy roa lahy no tafatsoaka tsy hitan’ireo mpiambina azy ireo nefa nofatorana rojovy nandritra ny fitsaboana azy. Ny angom-baovao marim-pototra natao no nahalalana, fa ny alatsinainy teo no tratran’ny mpivarotra sy ireo mpiambina eo anivon’ny bazary kely ity zazalahy, zara raha 14 taona ity izay tena mpanendaka sy mpangarom-paosy “matihanina” mihitsy ao Bazary kely ao, ka niharan’ny fitsaram-bahoaka izay niteraka faharatrana mafy taminy. Ny fahatongavan’ny polisy no tsy nahafaty azy; izay nitondra azy notsaboina teo anivon’ny hopitaly ben’i Toamasina. Raha variana tamin’ny fanaraha-maso azy taty ivelan’ny hopitaly anefa ireo polisy roa misahana ny fiambenana azy , ny iray nandeha nisakafo ilay faharoa kosa naka rivotra teny amoron-dranomasina, dia nalany tao anatin’ny rojovy namatorana azy teo amin’ny fandrinan’ny hopitaly ny tananany ka na teo am-bavahady aza ireo polisy mpiambina azy nandritra izany dia tsy nahita ny nivoahan’ny hopitaly be akory. Eo am-pitadiavana azy io ireto polisy niambina azy ireto izao, nefa efa tsy hita ny misy ity mpanendaka “matihanina” ao bazary kely ity, izay miteraka tahotra ho an’ireo mpivarotra nisambotra sy nanoro azy amin’ny valifatiny.
Malala Didier