- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversHopitaliben’ i Toliara : Ramatoa iray maty tampoka noho ny fahatapahan-jiro

Hopitaliben’ i Toliara : Ramatoa iray maty tampoka noho ny fahatapahan-jiro

Nitrangana loza tsy nampoizina tao amin’ny hopitaliben’i Toliara, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 11 ora. Ramatoa iray 50 taona eo, izay nampidirina hopitaly ny talata teo noho ny fiakaran’ny tosi-drà no namoy ny ainy vokatry fahatapahan’ ny jiron’ ny Jirama. Raha ny fanazavana azo dia tsy afaka niaina tsara ity renim-pianakaviana manan-janaka telo mianadahy monina ao amin’ny fokontany Sanfily ity, ka nasiana “oxygène” ho fanavotana ny ainy. Tapaka tampoka anefa ny herinaratra ka tsy nandeha ny milina mampandeha an’ ilay “oxygene”, ary dimy minitra taorian’io dia tapitra ny ainy. Noho ny tandrevaka misy dia tsy velona ihany koa ny “groupe” mamokatra herinaratra tao amin’ity hopitalim-panjakana ity, kanefa isan’andro, indrindra amin’ny alina dia misy foana ny fahatapahan-jiro ao Toliara.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici