Zavatra tsy fahita nefa nitranga teo anivon’ny hopitalin-jazakelin’ny ao amin’ny hopitaly ben’i Toamasina, no niseho ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy teo. Nisy ramatoa niakanjo nitovy tamin’ireo mpianatra ho mpitsabo manao fiambenana alina izy ireo, ary nanao fizahana ireo zazakely marary nandritra izany nefa tsy misy idirany amin’ny asam-pitsaboana akory. Nahatoky ireo ray aman-drenin’ireo zazakely marary ka nanaiky izay natao sy nampanaoviny avokoa. Ramatoa maintimainty fihodirana sy lava volo ity nanao fizaham-pahalasalamana ity, fa mpisandoka ihany ary mpamosavy nandeha hamono zazakely fotsiny. Vokatry io tranga io dia zazakely efa tsy naninona nandritra ny fitsaboana azy miisa roa no maty tsy fantatra na inona ny antony na inona. Nandritra ny fijereny ireo zazakely ireo, dia noteritereny ny kibon’izy ireo, avy eo aronony ny vavan’izy ireo, taorian’izay dia maty ireo zazakely roa nataony izany. Nampilaza ny mpitsabo mpianatra tao amin’ny hopitalin-jaza avy hatrany ireo ray aman-drenin’ireto zazakely tratrany, raikitra ny fanenjehana sy ny fikarohana azy saingy efa tsy tratra intsony ity ramatoa nisandoka ho mpitsabo, mpamosavy ity. Vokatr’ izay dia tebiteby nanomboka ny sabotsy teo ny an’ireo manana ny marary, hany ka mampitahotra azy ireo hatramin’ireo mpitsabo tsy fantatra izy ireo mijery an-janany. Milaza ny handray fepetra mikasika ity raharaha ity moa ny eo anivon’ny hopitaly.
Malala Didier