- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHopitaly Be Toamasina : Kalach roa sy basy “PA” iray ary olona...

Hopitaly Be Toamasina : Kalach roa sy basy “PA” iray ary olona iray hivarotra azy ireo saron’ny polisy

Fifanandrifian-javatra sa tranga samy hafa saingy niseho tao anatin’ny fotoana iray dia ny alatsinainy 27 aogositra teo tokony tamin’ny 04ora avy, ilay fanafihana tamin’ny PA tao Ambohijafy sy ity olona iray saron’ny polisy tao Analakininina hopitaly be teo am-pivarotana basy kalaky roa sy PA iray, tao amin’ity trano fandraisam-bahiny, “Bungalow”, an’ny filoha lefitry ny mpalotsain’ny kaominin’i Toamasina ity ? Na mbola manao fanadihadiana mikasika ilay olona iray tratra niaraka tamin’ireto basy kalaky roa sy PA iray ity aza ny polisy, dia misy ihany ny angom-baovao azo mikasika ny raharaha. Raha io loharanom-baovao io dia telo andro mialoha ity alatsinainy ity dia efa nisy namandrika ny efitrano fandriana iray tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity, saingy ny alatsinainy teo vao tonga ilay olona tena hipetraka tao tokony tamin’ny 04 ora. Tsy nanatona ny “reception” intsony ity tovolahy ity, izay voalazan’ny loharanom-baovao fa zanak’olona mpanambola iray monina ao Tanambao V niaraka tamin’ny sakosy iray lehibe nentiny niaraka taminy. Naira-niditra taon anatin’ilay Bungalow izy efa-dahy nandritra izay saingy gaga ny mpikarakarana ny trano fandraisam-bahiny fa nisy fifamaliana tao anatin’ilay efitrano ary re avy aty ivelany koa fa nifandrahona tamina basy izy ireo. Tsy tapitra izay raha ny loharanom-baovao hatrany dia tonga ny polisy nanambana basy ilay tovolahy nitondra ilay sakosy be. Teo no nivoaka avokoa ny nafenina rehetra, hay basy kalaky sy basy PA no tao anatiny ary nokasaina hamidy izy ireto. ny loharanom-baovao koa no nahafantarana fa polisy ihany koa ireto telo lahy nanao famandrihana ilay trano fandraisam-bahiny telo andro mialoha; koa andrasana izany ny fanazavana feno avy amin’ny polisy misahana ny raharaha noho ny resa-be mandeha mikasika ity raharaha ity, sy noho ity tovolahy ity koa zanaka mpanambola iray monina ao Tanambao V eto Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici