- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversHopitaly be Toamasina : Kambana telo anakiroa tao anatin’ny iray volana

Hopitaly be Toamasina : Kambana telo anakiroa tao anatin’ny iray volana

“Tsara vintana ny hopitaliben’i Toamasina, fa tao anatin’ny iray volana izao dia kambana telo roa no nampitarehan’ireo mpampivelona teto aminay”, izay no nambaran’ireo mpitsabo sy mpampiveloa teo amin’ity hopitaly oniversitera Analakininina Toamasina ity. Ny tranga faharoa tamin’izany dia niseho ny alahady 29 jolay tolakandro teo, renim-pianakaviana iray 34 taona antsoina hoe Saholy avy any Sahavalaina Brickaville, lalam-pirenena faha-02, no nanao kambana telo. Telo vavy be izao ireto zaza teraka ireto ka Rasoanirina Elinah, Rasoanirina Delinah, ary Rasoanirina Cerdine no anaran’izy ireo, ka Atoa Leonard Célestin ny rain’izy ireo izay samy mpiasa tany ny asan’izy mivady. Ny olana amin’izy mivady ireto dia teraka tsy tonga volana teo amin’ny faha-07 ny volana ilay ramatoa ka voatery mbola manaraka fanaraha-maso sy fitsaboana eo anivon’ny toerana fanaraha-maso ny zaza vao teraka tsy ampy volana eo anivon’ny hopitaly be ireto zaza kambana telo vavy ireto ankehitriny; na izany aza dia nilaza ny mpitsabo ireto zaza fa tsy misy ahiana ny fahasalaman’izy efa-mianaka ankehitriny. Faly izy mivady nahazo ireto zanany kambana telo be izao, saingy sahiran-tsaina kosa noho ny hoenti-manana sy ny hisahanana ny adidiny tsy ampy eo am-pelatanan’izy mivady; noho izay dia nitondra fanampiana azy ireo ny Dr Rakotomanana Gervais ben’ny Tanana teo aloha ary mpanolo-tsain’ny kaominin’i Toamasina ankehitriny avy amin’ny fikambanana “diaraika”, mba hahafahan’izy mivady misahana ny fitsaboana ny zanany satria miankina amin’ny fahazoan’ireo zaza ireo ny lanja ara-pasalamana ho an’ny zaza teraka tsy ampy volana ny fahafahany mivoaka ny hopitaly.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici