Nambaran’ny solon-tenany OMS eto amintsika teto Toamasina, fa nanomboka ny alatsinainy 18 jolay ary ahaharitra 100 andro ny fanaovana vakisiny faobe momba ny covid-19 eto Toamasina. Raha ny voalaza tamin’ny mpanao gazety dia vakisiny “Pfizer” no atao mandritra ity fanaovam-bakisiny faobe ity, ka afaka manantona ny eny amin’ny hopitaly kely sy ireo CSB II ireo olona mihoatra ny 18 taona sy ireo hanao ny “Boost” momba izay vakisiny izay. Raha ny tarehimarika fantatra dia tsy misy afa-tsy 3,49% na 1,01 tapitrisa ny Malagasy ireo nahavita vakisiny feno hatramin’izao, ka izany no ataon’izao ezaka amin’ny fanaovana vakisiny karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamana izao. Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ihany koa fa ny vakisiny no afaka miaro ny olona mihoatra ny 80%, ka izany no antony nanaovana ity fanaovam-bakisiny faobe anatin’ny 100 andro ity. Tena maharo amin’ny fiatrehana ny aretina ao anatin’ny fahasarotana ny fanaovana vakisiny, nefa afaka tena miaro amin’ny fitrangan’ny valan’aretina ihany koa izany.
Malala Didier