Ny alahady 10 may teo no niditra hopitaly teo amin’ny hopitaly manara-penitra ity rangahy iray mpiasan’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana eo anivon’ny hopitaly kely, manao asa fandrindrana fiara sy bisikileta ary moto ity; taorian’ny fitiliana ny covid-19 ny tenany izay tsy mbola nivaly hatramin’izao hoy ny fianakaviany; izay voamarina anefa fa miabo ity rangahy 59 taona ity hoy ny mpitsabo. Talohan’io herinandro nampidirana azy teny amin’ny hopitaly manara-penitra io anefa, dia efa notsaboina noho ny diabeta sy tosidrà nitaiza azy ilay rangahy teny amin’ny hopitaly be Analakininina; ilay fisian’ny fiakaran’ny hafanana taminy no nampidirana azy teny Morafeno hoy hatrany ny fianakaviny. Herinandro notsaboina teo anivon’ny hopitaly manara-penitra izy; izay fanafody diabeta hatrany no notakian’ny mpitsabo tamin’ny fianakaviany hitsaboana azy, saingy ny sabotsy 16 may nifoha ny alahady 17 dia maty ity rangahy ity; izay mbola nasain’ny mpitsabo nividy fanafodina diabeta hatrany ny fianakaviny nefa efa tsy nampiasaina intsony ny alahady teo. Raha ny angom-baovao natao izay tena sarotra raha teo anivon’ny mpitsabo misahana ny fitsaboana eo anivon’ny hopitaly manara-penitra, dia isan’ny olona narary tao anatin’ny “cas grave” tratry ny fahasemporana sy famelomanaina noho ny aretina diabeta sy tosidrà nitaiza azy ity rangahy notsaboina tao Morafeno ity. Nefa nilaza ny fianakaviany, fa efa nihatsara ny fahasalamany ny faramparan’ny herinandro teo, satria efa nangataka ny hihinam-bary sosoa ny tenany teny amin’ny hopitaly na tsy azo novangiana aza, tampoka teo anefa ny sabotsy alina dia nantsoina izy ireo nilazana fa maty ny havan’izy ireo. Ny tena alahelo ho an’ny fianakavian’ny maty dia ny tsy nahafahan’izy ireo nandevina ny havany teny amin’ny fasan-drazany, fa ny fanjakana no nanao izany. Ny olana amin’ireto fianakaviana ireto koa, dia ny tsy fahalalan’izy ireo ny naha-miabo ny covid-19 ny havany taorian’ny fitiliana natao taminy nefa efa tao anatin’ny “cas grave” ny havany tamin’ilay fitiliana nivaly. Nomarihan’ireo mpiara-miasa aminy maty koa tsy tsy mpiambina “parking” izy ny tenany, fa sekretera ny talen’ny fahasalamana no tena asany, fa noho fahanterany dia nafindra ho mpiandraikitra ny taratasy sy fandefasana izany ny tenany ka izay no ahitana azy eo amin’ny parking foana.
Malala Didier