Tsy hita izay nanjavonany nanomboka ny alin’ny talata teo. Tsihoarana Joseph no anarany, 32 taona, ary mararin’ny homamiadan’ny « œsophage ». Sendra tsy teo ny mpiambina azy fa nidina kely no gaga raha niverina fa tsy teo intsony i Tsihoarana. Ny findainy sisa, izay nametrahany hafatra fohy fa haka vola vetivety ao ambany izy, no hita tao amin’ny efitra nisy azy. Natao ny fisavana ny hopitaly manontolo nefa nandamoaka. Ny taratasy saika hoentiny amin’ny efitrano fisainana sisa no hita tany an-tokotany. Nitohy hatrany ivelan’ny hopitaly ny fikarohana ary tsy nanome vokatra mihitsy izany. Inona ny zava-nitranga ? Raha ny fanazavan’ny fianakaviany mantsy dia tsy manana aina ho tonga irery hatrany eny amin’ny vavahady izany izy. Tsy afaka miteny ihany koa ary misy « sonde » ny vatany. Mbola nisy « sérum » aza izy tamin’ny fotoana nahitana azy, satria manaraka fitsaboana avy amin’ny alalan’ny « chimiothérapie ». Iza ary izany no nanampy azy nivoaka tao amin’ny efitrano sy ny hopitaly ? Efa nipetraka eny amin’ny biraon’ny pôlisy ny fitarainan’ny fianakaviany ankehitriny. Akanjo jogging mainty amboany ambany, lobaka « carreaux » miloko fotsy mena mainty ary kapa marika Aigle d’or mainty no nanaovany farany. Misy « canule » ny tendany ankoatr’izany rehetra izany. Miangavy ny fianakaviany mba hiantso ny 0346505309/0339043577/0326762277 izay mety ho manam-baovao mahakasika azy.
D.R